로그인

시편 98편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masìna no nahavitany famonjena. O sing unto the Lord a new song; for he hath done marvellous things: his right hand, and his holy arm, hath gotten him the victory.
2 Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason’ ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany. The Lord hath made known his salvation: his righteousness hath he openly shewed in the sight of the heathen.
3 Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ ny taranak’ i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen’ Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra. He hath remembered his mercy and his truth toward the house of Israel: all the ends of the earth have seen the salvation of our God.
4 Mihobia ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà. Make a joyful noise unto the Lord, all the earth: make a loud noise, and rejoice, and sing praise.
5 Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny lokanga, Dia amin’ ny lokanga sy ny feo fihirana, Sing unto the Lord with the harp; with the harp, and the voice of a psalm.
6 Amin’ ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan’ i Jehovah Mpanjaka. With trumpets and sound of cornet make a joyful noise before the Lord, the King.
7 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. Let the sea roar, and the fulness thereof; the world, and they that dwell therein.
8 Aoka hiteha-tanana ny riaka; Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra Let the floods clap their hands: let the hills be joyful together
9 Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin’ ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin’ ny fahitsiana. Before the Lord; for he cometh to judge the earth: with righteousness shall he judge the world, and the people with equity.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL