시편 97편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 12절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro. | The Lord reigneth; let the earth rejoice; let the multitude of isles be glad thereof. |
| 2 | Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandrianany. | Clouds and darkness are round about him: righteousness and judgment are the habitation of his throne. |
| 3 | Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina. | A fire goeth before him, and burneth up his enemies round about. |
| 4 | Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro. | His lightnings enlightened the world: the earth saw, and trembled. |
| 5 | Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan’ i Jehovah, Dia eo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra. | The hills melted like wax at the presence of the Lord, at the presence of the Lord of the whole earth. |
| 6 | Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny. | The heavens declare his righteousness, and all the people see his glory. |
| 7 | Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin’ ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan’ i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra. | Confounded be all they that serve graven images, that boast themselves of idols: worship him, all ye gods. |
| 8 | Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin’ i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô. | Zion heard, and was glad; and the daughters of Judah rejoiced because of thy judgments, O Lord. |
| 9 | Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin’ ny tany rehetra; Efa avo ambonin’ ny andriamanitra rehetra Hianao. | For thou, Lord, art high above all the earth: thou art exalted far above all gods. |
| 10 | Hianareo izay tia an’ i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin’ ny olony masìna Izy Ary mamonjy azy amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy. | Ye that love the Lord, hate evil: he preserveth the souls of his saints; he delivereth them out of the hand of the wicked. |
| 11 | Ny fahazavana no voafafy ho an’ ny marina, Ary ny fifafiana ho an’ ny mahitsy fo. | Light is sown for the righteous, and gladness for the upright in heart. |
| 12 | Mifalia amin’ i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masìna. | Rejoice in the Lord, ye righteous; and give thanks at the remembrance of his holiness. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL