시편 96편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 13절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Mihira fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Mihirà ho an’ i Jehovah ry tany rehetra. | O sing unto the Lord a new song: sing unto the Lord, all the earth. |
| 2 | Mihirà ho an’ i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan’ andro isan’ andro ny famonjeny mahafaly. | Sing unto the Lord, bless his name; shew forth his salvation from day to day. |
| 3 | Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. | Declare his glory among the heathen, his wonders among all people. |
| 4 | Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin’ ny Andriamanitra rehetra. | For the Lord is great, and greatly to be praised: he is to be feared above all gods. |
| 5 | Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra. | For all the gods of the nations are idols: but the Lord made the heavens. |
| 6 | Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin’ ny fitoerany masìna. | Honour and majesty are before him: strength and beauty are in his sanctuary. |
| 7 | Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah. | Give unto the Lord, O ye kindreds of the people, give unto the Lord glory and strength. |
| 8 | Manomeza an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany. | Give unto the Lord the glory due unto his name: bring an offering, and come into his courts. |
| 9 | Miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. | O worship the Lord in the beauty of holiness: fear before him, all the earth. |
| 10 | Lazao any amin’ ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin’ ny fahamarinana Izy. | Say among the heathen that the Lord reigneth: the world also shall be established that it shall not be moved: he shall judge the people righteously. |
| 11 | Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy. | Let the heavens rejoice, and let the earth be glad; let the sea roar, and the fulness thereof. |
| 12 | Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin’ izay ny hazo rehetra any an’ ala | Let the field be joyful, and all that is therein: then shall all the trees of the wood rejoice |
| 13 | Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin’ ny fahamarinany. | Before the Lord: for he cometh, for he cometh to judge the earth: he shall judge the world with righteousness, and the people with his truth. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL