시편 95편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 11절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Avia, aoka isika hihoby ho an’ i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ ny Vatolampy famonjena antsika. | O come, let us sing unto the Lord: let us make a joyful noise to the rock of our salvation. |
| 2 | Aoka hankeo anatrehany amin’ ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ ny fihirana isika. | Let us come before his presence with thanksgiving, and make a joyful noise unto him with psalms. |
| 3 | Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin’ ny andriamanitra rehetra Izy. | For the Lord is a great God, and a great King above all gods. |
| 4 | Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin’ ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo. | In his hand are the deep places of the earth: the strength of the hills is his also. |
| 5 | Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin’ ny tànany. | The sea is his, and he made it: and his hands formed the dry land. |
| 6 | Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan’ i Jehovah, Mpanao antsika; | O come, let us worship and bow down: let us kneel before the Lord our maker. |
| 7 | Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe: | For he is our God; and we are the people of his pasture, and the sheep of his hand. To day if ye will hear his voice, |
| 8 | Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin’ ny andro tao Masa fony tany an-efitra, | Harden not your heart, as in the provocation, and as in the day of temptation in the wilderness: |
| 9 | Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako. | When your fathers tempted me, proved me, and saw my work. |
| 10 | Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’ izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin’ ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako; | Forty years long was I grieved with this generation, and said, It is a people that do err in their heart, and they have not known my ways: |
| 11 | Ka dia nianiana tamin’ ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy. | Unto whom I sware in my wrath that they should not enter into my rest. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL