시편 94편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 23절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata. | O Lord God, to whom vengeance belongeth; O God, to whom vengeance belongeth, shew thyself. |
| 2 | Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona. | Lift up thyself, thou judge of the earth: render a reward to the proud. |
| 3 | Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy? | Lord, how long shall the wicked, how long shall the wicked triumph? |
| 4 | Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra. | How long shall they utter and speak hard things? and all the workers of iniquity boast themselves? |
| 5 | Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny; | They break in pieces thy people, O Lord, and afflict thine heritage. |
| 6 | Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny | They slay the widow and the stranger, and murder the fatherless. |
| 7 | Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr’ i Jakoba. | Yet they say, The Lord shall not see, neither shall the God of Jacob regard it. |
| 8 | Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo? | Understand, ye brutish among the people: and ye fools, when will ye be wise? |
| 9 | Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita? | He that planted the ear, shall he not hear? he that formed the eye, shall he not see? |
| 10 | Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona? | He that chastiseth the heathen, shall not he correct? he that teacheth man knowledge, shall not he know? |
| 11 | Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany. | The Lord knoweth the thoughts of man, that they are vanity. |
| 12 | Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin’ ny lalanao, | Blessed is the man whom thou chastenest, O Lord, and teachest him out of thy law; |
| 13 | Mba homenao fitsaharana amin’ ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an’ ny ratsy fanahy. | That thou mayest give him rest from the days of adversity, until the pit be digged for the wicked. |
| 14 | Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny. | For the Lord will not cast off his people, neither will he forsake his inheritance. |
| 15 | Fa ny fitsarana hiverina ho amin’ ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra | But judgment shall return unto righteousness: and all the upright in heart shall follow it. |
| 16 | Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka? | Who will rise up for me against the evildoers? or who will stand up for me against the workers of iniquity? |
| 17 | Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin’ ny mangingina ny fanahiko. | Unless the Lord had been my help, my soul had almost dwelt in silence. |
| 18 | Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy. | When I said, My foot slippeth; thy mercy, O Lord, held me up. |
| 19 | Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao. | In the multitude of my thoughts within me thy comforts delight my soul. |
| 20 | Hikambana aminao va ny seza fiandrianan’ ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna? | Shall the throne of iniquity have fellowship with thee, which frameth mischief by a law? |
| 21 | Manao andiany hamely ny fanahin’ ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina. | They gather themselves together against the soul of the righteous, and condemn the innocent blood. |
| 22 | Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro. | But the Lord is my defence; and my God is the rock of my refuge. |
| 23 | Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan’ i Jehovah Andriamanitsika izy. | And he shall bring upon them their own iniquity, and shall cut them off in their own wickedness; yea, the Lord our God shall cut them off. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL