로그인

시편 93편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 5절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikìna hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika. The Lord reigneth, he is clothed with majesty; the Lord is clothed with strength, wherewith he hath girded himself: the world also is stablished, that it cannot be moved.
2 Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin’ ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao. Thy throne is established of old: thou art from everlasting.
3 Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka. The floods have lifted up, O Lord, the floods have lifted up their voice; the floods lift up their waves.
4 Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr’ i Jehovah any amin’ ny avo. The Lord on high is mightier than the noise of many waters, yea, than the mighty waves of the sea.
5 Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô. Thy testimonies are very sure: holiness becometh thine house, O Lord, for ever.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL