시편 93편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 5절
- 1 Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikìna hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.
- 2 Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin’ ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao.
- 3 Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.
- 4 Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr’ i Jehovah any amin’ ny avo.
- 5 Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗