시편 90편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ ny taranaka rehetra Hianao. | Lord, thou hast been our dwelling place in all generations. |
| 2 | Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay. | Before the mountains were brought forth, or ever thou hadst formed the earth and the world, even from everlasting to everlasting, thou art God. |
| 3 | Mamerina ny olona ho amin’ ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak’ olombelona. | Thou turnest man to destruction; and sayest, Return, ye children of men. |
| 4 | Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ ny alina. | For a thousand years in thy sight are but as yesterday when it is past, and as a watch in the night. |
| 5 | Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin’ ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy. | Thou carriest them away as with a flood; they are as a sleep: in the morning they are like grass which groweth up. |
| 6 | Amin’ ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin’ ny hariva voajinja izy ka maina. | In the morning it flourisheth, and groweth up; in the evening it is cut down, and withereth. |
| 7 | Fa lanin’ ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao. | For we are consumed by thine anger, and by thy wrath are we troubled. |
| 8 | Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin’ ny fahazavan’ ny tavanao. | Thou hast set our iniquities before thee, our secret sins in the light of thy countenance. |
| 9 | Fa ny androanay rehetra efa lasa amin’ ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay. | For all our days are passed away in thy wrath: we spend our years as a tale that is told. |
| 10 | Fito-polo taona no andron’ ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay. | The days of our years are threescore years and ten; and if by reason of strength they be fourscore years, yet is their strength labour and sorrow; for it is soon cut off, and we fly away. |
| 11 | Iza no mahafantatra ny herin’ ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao? | Who knoweth the power of thine anger? even according to thy fear, so is thy wrath. |
| 12 | Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry. | So teach us to number our days, that we may apply our hearts unto wisdom. |
| 13 | Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin’ ny mpanomponao. | Return, O Lord, how long? and let it repent thee concerning thy servants. |
| 14 | Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin’ ny andro rehetra hiainanay. | O satisfy us early with thy mercy; that we may rejoice and be glad all our days. |
| 15 | Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza. | Make us glad according to the days wherein thou hast afflicted us, and the years wherein we have seen evil. |
| 16 | Aoka hiseho amin’ ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin’ ny zanany. | Let thy work appear unto thy servants, and thy glory unto their children. |
| 17 | Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ ny tananay; Eny, ny asan’ ny tananay, ampitoero izy. | And let the beauty of the Lord our God be upon us: and establish thou the work of our hands upon us; yea, the work of our hands establish thou it. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL