시편 88편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 18절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | O Lord God of my salvation, I have cried day and night before thee: |
| 2 | Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman’ alina no itarainako eo anatrehanao; | Let my prayer come before thee: incline thine ear unto my cry; |
| 3 | Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin’ ny fitarainako ny sofinao; | For my soul is full of troubles: and my life draweth nigh unto the grave. |
| 4 | Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita. | I am counted with them that go down into the pit: I am as a man that hath no strength: |
| 5 | Natao ho isan’ izay midìna any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery; | Free among the dead, like the slain that lie in the grave, whom thou rememberest no more: and they are cut off from thy hand. |
| 6 | Efa nafoy ho any amin’ ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao. | Thou hast laid me in the lowest pit, in darkness, in the deeps. |
| 7 | Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin’ ny maizina, dia ao amin’ ny lalina. | Thy wrath lieth hard upon me, and thou hast afflicted me with all thy waves. Selah. |
| 8 | Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko. [Sela.] | Thou hast put away mine acquaintance far from me; thou hast made me an abomination unto them: I am shut up, and I cannot come forth. |
| 9 | Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka. | Mine eye mourneth by reason of affliction: Lord, I have called daily upon thee, I have stretched out my hands unto thee. |
| 10 | Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan’ andro aho, Mamefy tanana aminao aho. | Wilt thou shew wonders to the dead? shall the dead arise and praise thee? Selah. |
| 11 | Haneho fahagagana amin’ ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao? | Shall thy lovingkindness be declared in the grave? or thy faithfulness in destruction? |
| 12 | Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin’ ny fandringanana? | Shall thy wonders be known in the dark? and thy righteousness in the land of forgetfulness? |
| 13 | Ho fantatra ao amin’ ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin’ ny tany fanadinoana? | But unto thee have I cried, O Lord; and in the morning shall my prayer prevent thee. |
| 14 | Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina. | Lord, why castest thou off my soul? why hidest thou thy face from me? |
| 15 | Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko? | I am afflicted and ready to die from my youth up: while I suffer thy terrors I am distracted. |
| 16 | Ory aho ka efa ho faty hatramin’ ny fahazazako; Raha itambesa-ran’ ny fampitahoranao aho, dia very hevitra; | Thy fierce wrath goeth over me; thy terrors have cut me off. |
| 17 | Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin’ ny fampitahoranao aho; | They came round about me daily like water; they compassed me about together. |
| 18 | Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy. | Lover and friend hast thou put far from me, and mine acquaintance into darkness. |
| 19 | Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL