시편 83편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 18절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Keep not thou silence, O God: hold not thy peace, and be not still, O God. |
| 2 | Andriamanitra ô, aza mangìna; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô. | For, lo, thine enemies make a tumult: and they that hate thee have lifted up the head. |
| 3 | Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany. | They have taken crafty counsel against thy people, and consulted against thy hidden ones. |
| 4 | Ny olonao no iokoany amin’ ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy. | They have said, Come, and let us cut them off from being a nation; that the name of Israel may be no more in remembrance. |
| 5 | Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’ Isiraely. | For they have consulted together with one consent: they are confederate against thee: |
| 6 | Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao, | The tabernacles of Edom, and the Ishmaelites; of Moab, and the Hagarenes; |
| 7 | Dia ny lain’ ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita, | Gebal, and Ammon, and Amalek; the Philistines with the inhabitants of Tyre; |
| 8 | Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin’ ny mponina any Tyro. | Assur also is joined with them: they have holpen the children of Lot. Selah. |
| 9 | Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin’ ny taranak’ i Lota ireo. [Sela.] | Do unto them as unto the Midianites; as to Sisera, as to Jabin, at the brook of Kison: |
| 10 | Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an’ i Sisera sy Jabina teo amin’ ny ony Kisona; | Which perished at En–dor: they became as dung for the earth. |
| 11 | Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy. | Make their nobles like Oreb, and like Zeeb: yea, all their princes as Zebah, and as Zalmunna: |
| 12 | Ataovy tahaka an’ i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an’ i Zebaha sy Zaimona, | Who said, Let us take to ourselves the houses of God in possession. |
| 13 | Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan’ Andriamanitra. | O my God, make them like a wheel; as the stubble before the wind. |
| 14 | Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin’ ny rivotra, | As the fire burneth a wood, and as the flame setteth the mountains on fire; |
| 15 | Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra; | So persecute them with thy tempest, and make them afraid with thy storm. |
| 16 | Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin’ ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin’ ny tafio-drivotrao. | Fill their faces with shame; that they may seek thy name, O Lord. |
| 17 | Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô. | Let them be confounded and troubled for ever; yea, let them be put to shame, and perish: |
| 18 | Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy. | That men may know that thou, whose name alone is Jehovah, art the most high over all the earth. |
| 19 | Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin’ ny tany rehetra. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL