시편 82편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Andriamanitra dia eo amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra; ary eo amin’ ireo andriamanitra no itsarany. | God standeth in the congregation of the mighty; he judgeth among the gods. |
| 2 | Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? [Sela.] | How long will ye judge unjustly, and accept the persons of the wicked? Selah. |
| 3 | Alaharo ny tenin’ ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo; | Defend the poor and fatherless: do justice to the afflicted and needy. |
| 4 | Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy izy. | Deliver the poor and needy: rid them out of the hand of the wicked. |
| 5 | Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin’ ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin’ ny tany rehetra. | They know not, neither will they understand; they walk on in darkness: all the foundations of the earth are out of course. |
| 6 | Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra; | I have said, Ye are gods; and all of you are children of the most High. |
| 7 | Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin’ ny lehibe. | But ye shall die like men, and fall like one of the princes. |
| 8 | Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra. | Arise, O God, judge the earth: for thou shalt inherit all nations. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL