시편 80편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 19절
- 2 Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an’ i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, mamirapiratra.
- 3 Fohazy ny herinao eo anoloan’ i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
- 4 Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
- 5 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin’ ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao?
- 6 Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
- 7 Ataonao ho fifandirana amin’ ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
- 8 Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
- 9 Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
- 10 Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
- 11 Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo.
- 12 Nampisandrahaka ny rantsany hatramin’ ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin’ ny Ony.
- 13 Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan’ izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
- 14 Ny lambo avy any an’ ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
- 15 Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
- 16 Arovy izay nambolen’ ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.
- 17 Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran’ ny tavanao izy.
- 18 Aoka ny tananao ho amin’ ny lehilahin’ ny tananao ankavanana, dia amin’ ny zanak’ olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
- 19 Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.
- 20 Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗