로그인

시편 79편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 13절

  1. 1 Andriamanitra ô, tonga eto amin’ ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masìna sady nanao an’ i Jerosalema ho korontam-bato.
  2. 2 Ny fatin’ ny mpanomponao nomeny hohanin’ ny voro-manidina, ny nofon’ ny olonao masìna ho an’ ny bibidia;
  3. 3 Ny ràny naidiny manodidina an’ i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.
  4. 4 Tonga fandatsan’ ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran’ izay manodidina anay.
  5. 5 Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaoronao?
  6. 6 Aidino amin’ ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin’ ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao;
  7. 7 Fa efa nandany an’ i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.
  8. 8 Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay.
  9. 9 Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.
  10. 10 Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin’ ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran’ ny mpanomponao izay nalatsaka.
  11. 11 Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan’ ny mpifatotra; araka ny halehiben’ ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.
  12. 12 Ary valio impito heny ho ao an-tratran’ ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô.
  13. 13 Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin’ ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗