시편 80편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 19절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Give ear, O Shepherd of Israel, thou that leadest Joseph like a flock; thou that dwellest between the cherubims, shine forth. |
| 2 | Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an’ i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, mamirapiratra. | Before Ephraim and Benjamin and Manasseh stir up thy strength, and come and save us. |
| 3 | Fohazy ny herinao eo anoloan’ i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay. | Turn us again, O God, and cause thy face to shine; and we shall be saved. |
| 4 | Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay. | O Lord God of hosts, how long wilt thou be angry against the prayer of thy people? |
| 5 | Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin’ ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao? | Thou feedest them with the bread of tears; and givest them tears to drink in great measure. |
| 6 | Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina. | Thou makest us a strife unto our neighbours: and our enemies laugh among themselves. |
| 7 | Ataonao ho fifandirana amin’ ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa. | Turn us again, O God of hosts, and cause thy face to shine; and we shall be saved. |
| 8 | Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay. | Thou hast brought a vine out of Egypt: thou hast cast out the heathen, and planted it. |
| 9 | Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa. | Thou preparedst room before it, and didst cause it to take deep root, and it filled the land. |
| 10 | Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany. | The hills were covered with the shadow of it, and the boughs thereof were like the goodly cedars. |
| 11 | Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo. | She sent out her boughs unto the sea, and her branches unto the river. |
| 12 | Nampisandrahaka ny rantsany hatramin’ ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin’ ny Ony. | Why hast thou then broken down her hedges, so that all they which pass by the way do pluck her? |
| 13 | Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan’ izay rehetra mandalo eny an-dalana izy? | The boar out of the wood doth waste it, and the wild beast of the field doth devour it. |
| 14 | Ny lambo avy any an’ ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy. | Return, we beseech thee, O God of hosts: look down from heaven, and behold, and visit this vine; |
| 15 | Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity. | And the vineyard which thy right hand hath planted, and the branch that thou madest strong for thyself. |
| 16 | Arovy izay nambolen’ ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao. | It is burned with fire, it is cut down: they perish at the rebuke of thy countenance. |
| 17 | Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran’ ny tavanao izy. | Let thy hand be upon the man of thy right hand, upon the son of man whom thou madest strong for thyself. |
| 18 | Aoka ny tananao ho amin’ ny lehilahin’ ny tananao ankavanana, dia amin’ ny zanak’ olombelona izay nampaherezinao ho Anao. | So will not we go back from thee: quicken us, and we will call upon thy name. |
| 19 | Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao. | Turn us again, O Lord God of hosts, cause thy face to shine; and we shall be saved. |
| 20 | Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL