시편 78편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 72절
- 1 Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin’ ny tenin’ ny vavako.
- 2 Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.
- 3 Izay efa rentsika sy fantatsika, ary nambaran’ ny razantsika tamintsika,
- 4 Dia tsy mba hafenintsika amin’ ny zanany; fa hambarantsika amin’ ny taranaka ho avy ny fiderana an’ i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
- 5 Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin’ i Jakoba Izy, ary teo amin’ Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;
- 6 Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy ― dia ny zaza mbola hateraka ― ka hitsangana hitory izany amin’ ny zanany kosa,
- 7 Mba hametraka ny fanantenany amin’ Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny;
- 8 Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin’ Andriamanitra ny fanahiny.
- 9 Ny zanak’ i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin’ ny andro fiadiana.
- 10 Tsy nitandrina ny fanekena amin’ Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
- 11 Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.
- 12 Teo anatrehan’ ny razany no nanaovany fahagagana tany amin’ ny tany Egypta, dia tany amin’ ny tany lemak’ i Zoana.
- 13 Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
- 14 Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
- 15 Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin’ ny rano lalina.
- 16 Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
- 17 Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.
- 18 Dia naka fanahy an’ Andriamanitra tam-pony izy, tamin’ ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.
- 19 Dia niteny nanohitra an’ Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra?
- 20 Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an’ ny olony va Izy?
- 21 Koa nony ren’ i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin’ i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely,
- 22 Satria tsy nino an’ Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.
- 23 Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran’ ny lanitra no novohàny,
- 24 Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin’ ny lanitra no nomeny azy.
- 25 Ny fihinan’ ny mahery no nohanin’ ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.
- 26 Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin’ ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.
- 27 Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina,
- 28 Ka nalatsany teny afovoan’ ny tobiny, manodidina ny fitoerany.
- 29 Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy.
- 30 Nefa tsy niala tamin’ ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny;
- 31 Dia nirehitra taminy ny fahatezeran’ Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin’ ny Isiraely.
- 32 Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony.
- 33 Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin’ ny fampitahorana.
- 34 Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an’ Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.
- 35 Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.
- 36 Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.
- 37 Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.
- 38 Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
- 39 Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.
- 40 Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin’ ny tany foana!
- 41 Naka fanahy an’ Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin’ ny Isiraely.
- 42 Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin’ ny fahavalo,
- 43 Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak’ i Zoana:
- 44 Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana.
- 45 Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny.
- 46 Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an’ ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an’ ny valala.
- 47 Namono ny voalobony tamin’ ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin’ ny havandra vaventy.
- 48 Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an’ ny havandra Izy, ary ny omby aman’ ondriny ho an’ ny varatra.
- 49 Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.
- 50 Namboatra lalana ho an’ ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin’ ireo tamin’ ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin’ ny areti-mandringana;
- 51 Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan’ ainy tany an-dain’ i Hama;
- 52 Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany.
- 53 Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron’ ny ranomasina.
- 54 Ary nitondra azy ho any amin’ ny tany misy ny fitoerany masìna Izy, dia ny tendrombohitra izay azon’ ny tànany ankavanana.
- 55 Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin’ ireny ho lova nozaraina tamin’ ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen’ Isiraely tao an-dainy.
- 56 Nefa naka fanahy an’ Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany.
- 57 Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.
- 58 Ary nampahatezitra Azy tamin’ ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin’ ny sarin-javatra voasokitra.
- 59 Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely,
- 60 Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin’ ny olona;
- 61 Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan’ ny fahavalo.
- 62 Dia nanolotra ny olony ho an’ ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin’ ny lovany Izy.
- 63 Ny zatovolahiny dia lanin’ ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.
- 64 Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan’ ireo tsy nisaona.
- 65 Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ ny divay.
- 66 Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.
- 67 Dia nanary ny lain’ i Josefa Izy, ary ny firenen’ i Efraima tsy nofidiny.
- 68 Fa nifidy ny firenen’ i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
- 69 Dia nanao ny fitoerany masìna ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.
- 70 Dia nifidy an’ i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan’ ondry;
- 71 Tany amin’ ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an’ i Jakoba olony sy Isiraely lovany;
- 72 Dia niandry ireo araka ny hitsin’ ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan’ ny tànany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗