시편 78편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 72절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin’ ny tenin’ ny vavako. | Give ear, O my people, to my law: incline your ears to the words of my mouth. |
| 2 | Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho. | I will open my mouth in a parable: I will utter dark sayings of old: |
| 3 | Izay efa rentsika sy fantatsika, ary nambaran’ ny razantsika tamintsika, | Which we have heard and known, and our fathers have told us. |
| 4 | Dia tsy mba hafenintsika amin’ ny zanany; fa hambarantsika amin’ ny taranaka ho avy ny fiderana an’ i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony. | We will not hide them from their children, shewing to the generation to come the praises of the Lord, and his strength, and his wonderful works that he hath done. |
| 5 | Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin’ i Jakoba Izy, ary teo amin’ Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany; | For he established a testimony in Jacob, and appointed a law in Israel, which he commanded our fathers, that they should make them known to their children: |
| 6 | Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy ― dia ny zaza mbola hateraka ― ka hitsangana hitory izany amin’ ny zanany kosa, | That the generation to come might know them, even the children which should be born; who should arise and declare them to their children: |
| 7 | Mba hametraka ny fanantenany amin’ Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny; | That they might set their hope in God, and not forget the works of God, but keep his commandments: |
| 8 | Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin’ Andriamanitra ny fanahiny. | And might not be as their fathers, a stubborn and rebellious generation; a generation that set not their heart aright, and whose spirit was not stedfast with God. |
| 9 | Ny zanak’ i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin’ ny andro fiadiana. | The children of Ephraim, being armed, and carrying bows, turned back in the day of battle. |
| 10 | Tsy nitandrina ny fanekena amin’ Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny; | They kept not the covenant of God, and refused to walk in his law; |
| 11 | Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy. | And forgat his works, and his wonders that he had shewed them. |
| 12 | Teo anatrehan’ ny razany no nanaovany fahagagana tany amin’ ny tany Egypta, dia tany amin’ ny tany lemak’ i Zoana. | Marvellous things did he in the sight of their fathers, in the land of Egypt, in the field of Zoan. |
| 13 | Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra. | He divided the sea, and caused them to pass through; and he made the waters to stand as an heap. |
| 14 | Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina. | In the daytime also he led them with a cloud, and all the night with a light of fire. |
| 15 | Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin’ ny rano lalina. | He clave the rocks in the wilderness, and gave them drink as out of the great depths. |
| 16 | Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony. | He brought streams also out of the rock, and caused waters to run down like rivers. |
| 17 | Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra. | And they sinned yet more against him by provoking the most High in the wilderness. |
| 18 | Dia naka fanahy an’ Andriamanitra tam-pony izy, tamin’ ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy. | And they tempted God in their heart by asking meat for their lust. |
| 19 | Dia niteny nanohitra an’ Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra? | Yea, they spake against God; they said, Can God furnish a table in the wilderness? |
| 20 | Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an’ ny olony va Izy? | Behold, he smote the rock, that the waters gushed out, and the streams overflowed; can he give bread also? can he provide flesh for his people? |
| 21 | Koa nony ren’ i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin’ i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely, | Therefore the Lord heard this, and was wroth: so a fire was kindled against Jacob, and anger also came up against Israel; |
| 22 | Satria tsy nino an’ Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny. | Because they believed not in God, and trusted not in his salvation: |
| 23 | Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran’ ny lanitra no novohàny, | Though he had commanded the clouds from above, and opened the doors of heaven, |
| 24 | Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin’ ny lanitra no nomeny azy. | And had rained down manna upon them to eat, and had given them of the corn of heaven. |
| 25 | Ny fihinan’ ny mahery no nohanin’ ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy. | Man did eat angels’ food: he sent them meat to the full. |
| 26 | Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin’ ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo. | He caused an east wind to blow in the heaven: and by his power he brought in the south wind. |
| 27 | Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina, | He rained flesh also upon them as dust, and feathered fowls like as the sand of the sea: |
| 28 | Ka nalatsany teny afovoan’ ny tobiny, manodidina ny fitoerany. | And he let it fall in the midst of their camp, round about their habitations. |
| 29 | Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy. | So they did eat, and were well filled: for he gave them their own desire; |
| 30 | Nefa tsy niala tamin’ ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny; | They were not estranged from their lust. But while their meat was yet in their mouths, |
| 31 | Dia nirehitra taminy ny fahatezeran’ Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin’ ny Isiraely. | The wrath of God came upon them, and slew the fattest of them, and smote down the chosen men of Israel. |
| 32 | Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony. | For all this they sinned still, and believed not for his wondrous works. |
| 33 | Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin’ ny fampitahorana. | Therefore their days did he consume in vanity, and their years in trouble. |
| 34 | Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an’ Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy. | When he slew them, then they sought him: and they returned and enquired early after God. |
| 35 | Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy. | And they remembered that God was their rock, and the high God their redeemer. |
| 36 | Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy. | Nevertheless they did flatter him with their mouth, and they lied unto him with their tongues. |
| 37 | Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy. | For their heart was not right with him, neither were they stedfast in his covenant. |
| 38 | Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany, | But he, being full of compassion, forgave their iniquity, and destroyed them not: yea, many a time turned he his anger away, and did not stir up all his wrath. |
| 39 | Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony. | For he remembered that they were but flesh; a wind that passeth away, and cometh not again. |
| 40 | Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin’ ny tany foana! | How oft did they provoke him in the wilderness, and grieve him in the desert! |
| 41 | Naka fanahy an’ Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin’ ny Isiraely. | Yea, they turned back and tempted God, and limited the Holy One of Israel. |
| 42 | Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin’ ny fahavalo, | They remembered not his hand, nor the day when he delivered them from the enemy. |
| 43 | Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak’ i Zoana: | How he had wrought his signs in Egypt, and his wonders in the field of Zoan: |
| 44 | Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana. | And had turned their rivers into blood; and their floods, that they could not drink. |
| 45 | Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny. | He sent divers sorts of flies among them, which devoured them; and frogs, which destroyed them. |
| 46 | Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an’ ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an’ ny valala. | He gave also their increase unto the caterpiller, and their labour unto the locust. |
| 47 | Namono ny voalobony tamin’ ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin’ ny havandra vaventy. | He destroyed their vines with hail, and their sycomore trees with frost. |
| 48 | Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an’ ny havandra Izy, ary ny omby aman’ ondriny ho an’ ny varatra. | He gave up their cattle also to the hail, and their flocks to hot thunderbolts. |
| 49 | Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza. | He cast upon them the fierceness of his anger, wrath, and indignation, and trouble, by sending evil angels among them. |
| 50 | Namboatra lalana ho an’ ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin’ ireo tamin’ ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin’ ny areti-mandringana; | He made a way to his anger; he spared not their soul from death, but gave their life over to the pestilence; |
| 51 | Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan’ ainy tany an-dain’ i Hama; | And smote all the firstborn in Egypt; the chief of their strength in the tabernacles of Ham: |
| 52 | Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany. | But made his own people to go forth like sheep, and guided them in the wilderness like a flock. |
| 53 | Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron’ ny ranomasina. | And he led them on safely, so that they feared not: but the sea overwhelmed their enemies. |
| 54 | Ary nitondra azy ho any amin’ ny tany misy ny fitoerany masìna Izy, dia ny tendrombohitra izay azon’ ny tànany ankavanana. | And he brought them to the border of his sanctuary, even to this mountain, which his right hand had purchased. |
| 55 | Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin’ ireny ho lova nozaraina tamin’ ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen’ Isiraely tao an-dainy. | He cast out the heathen also before them, and divided them an inheritance by line, and made the tribes of Israel to dwell in their tents. |
| 56 | Nefa naka fanahy an’ Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany. | Yet they tempted and provoked the most high God, and kept not his testimonies: |
| 57 | Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona. | But turned back, and dealt unfaithfully like their fathers: they were turned aside like a deceitful bow. |
| 58 | Ary nampahatezitra Azy tamin’ ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin’ ny sarin-javatra voasokitra. | For they provoked him to anger with their high places, and moved him to jealousy with their graven images. |
| 59 | Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely, | When God heard this, he was wroth, and greatly abhorred Israel: |
| 60 | Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin’ ny olona; | So that he forsook the tabernacle of Shiloh, the tent which he placed among men; |
| 61 | Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan’ ny fahavalo. | And delivered his strength into captivity, and his glory into the enemy’s hand. |
| 62 | Dia nanolotra ny olony ho an’ ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin’ ny lovany Izy. | He gave his people over also unto the sword; and was wroth with his inheritance. |
| 63 | Ny zatovolahiny dia lanin’ ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana. | The fire consumed their young men; and their maidens were not given to marriage. |
| 64 | Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan’ ireo tsy nisaona. | Their priests fell by the sword; and their widows made no lamentation. |
| 65 | Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ ny divay. | Then the Lord awaked as one out of sleep, and like a mighty man that shouteth by reason of wine. |
| 66 | Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay. | And he smote his enemies in the hinder parts: he put them to a perpetual reproach. |
| 67 | Dia nanary ny lain’ i Josefa Izy, ary ny firenen’ i Efraima tsy nofidiny. | Moreover he refused the tabernacle of Joseph, and chose not the tribe of Ephraim: |
| 68 | Fa nifidy ny firenen’ i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany. | But chose the tribe of Judah, the mount Zion which he loved. |
| 69 | Dia nanao ny fitoerany masìna ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay. | And he built his sanctuary like high palaces, like the earth which he hath established for ever. |
| 70 | Dia nifidy an’ i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan’ ondry; | He chose David also his servant, and took him from the sheepfolds: |
| 71 | Tany amin’ ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an’ i Jakoba olony sy Isiraely lovany; | From following the ewes great with young he brought him to feed Jacob his people, and Israel his inheritance. |
| 72 | Dia niandry ireo araka ny hitsin’ ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan’ ny tànany. | So he fed them according to the integrity of his heart; and guided them by the skilfulness of his hands. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL