시편 76편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 12절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | In Judah is God known: his name is great in Israel. |
| 2 | Andriamanitra dia fantatra eo amin’ ny Joda; malaza eo amin’ ny Isiraely ny anarany; | In Salem also is his tabernacle, and his dwelling place in Zion. |
| 3 | Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany. | There brake he the arrows of the bow, the shield, and the sword, and the battle. Selah. |
| 4 | Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana. [Sela.] | Thou art more glorious and excellent than the mountains of prey. |
| 5 | Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin’ ny tendrombohitra fitohàna. | The stouthearted are spoiled, they have slept their sleep: and none of the men of might have found their hands. |
| 6 | Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra. | At thy rebuke, O God of Jacob, both the chariot and horse are cast into a dead sleep. |
| 7 | Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’ i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly. | Thou, even thou, art to be feared: and who may stand in thy sight when once thou art angry? |
| 8 | Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao? | Thou didst cause judgment to be heard from heaven; the earth feared, and was still, |
| 9 | Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina, | When God arose to judgment, to save all the meek of the earth. Selah. |
| 10 | Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. [Sela.] | Surely the wrath of man shall praise thee: the remainder of wrath shalt thou restrain. |
| 11 | Fa ny fahatezeran’ ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao. | Vow, and pay unto the Lord your God: let all that be round about him bring presents unto him that ought to be feared. |
| 12 | Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an’ Izay mahatahotra. | He shall cut off the spirit of princes: he is terrible to the kings of the earth. |
| 13 | Manapaka ny reharehan’ ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan’ ny tany. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL