시편 74편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 23절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin’ ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao? | O God, why hast thou cast us off for ever? why doth thine anger smoke against the sheep of thy pasture? |
| 2 | Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao. | Remember thy congregation, which thou hast purchased of old; the rod of thine inheritance, which thou hast redeemed; this mount Zion, wherein thou hast dwelt. |
| 3 | Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin’ ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin’ ny fitoerana masìna dia simban’ ny fahavalo avokoa. | Lift up thy feet unto the perpetual desolations; even all that the enemy hath done wickedly in the sanctuary. |
| 4 | Nierona tao anatin’ ny fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana izy. | Thine enemies roar in the midst of thy congregations; they set up their ensigns for signs. |
| 5 | Ny fijery azy dia tahaka ny olona manainga famaky hijinja ny ala mikitroka; | A man was famous according as he had lifted up axes upon the thick trees. |
| 6 | Ary amin’ izao ny rafitra misoratra rehetra ao dia asiany ny famaky sy ny kanonta. | But now they break down the carved work thereof at once with axes and hammers. |
| 7 | Efa nandoro ny fitoeranao masìna tamin’ ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin’ ny tany ny fonenan’ ny anaranao. | They have cast fire into thy sanctuary, they have defiled by casting down the dwelling place of thy name to the ground. |
| 8 | Hoy izy tam-pony: aoka hampahorintsika avokoa izy. Efa nandoro ny tranon’ Andriamanitra eran’ ny tany rehetra izy. | They said in their hearts, Let us destroy them together: they have burned up all the synagogues of God in the land. |
| 9 | Tsy hitanay ny famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan’ izao. | We see not our signs: there is no more any prophet: neither is there among us any that knoweth how long. |
| 10 | Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian’ ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo? | O God, how long shall the adversary reproach? shall the enemy blaspheme thy name for ever? |
| 11 | Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Hianao? mampialà azy amin’ ny tratranao, ka mandringàna. | Why withdrawest thou thy hand, even thy right hand? pluck it out of thy bosom. |
| 12 | Fa Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin’ ny tany Izy. | For God is my King of old, working salvation in the midst of the earth. |
| 13 | Nampisaraka ny ranomasina tamin’ ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan’ ny dragona tao anaty rano Hianao. | Thou didst divide the sea by thy strength: thou brakest the heads of the dragons in the waters. |
| 14 | Hianao nanorotoro ny lohan’ ny mamba ka nanome azy hohanin’ izay firenena any an-efitra. | Thou brakest the heads of leviathan in pieces, and gavest him to be meat to the people inhabiting the wilderness. |
| 15 | Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra. | Thou didst cleave the fountain and the flood: thou driedst up mighty rivers. |
| 16 | Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro. | The day is thine, the night also is thine: thou hast prepared the light and the sun. |
| 17 | Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy. | Thou hast set all the borders of the earth: thou hast made summer and winter. |
| 18 | Tsarovy izao: Manaratsy an’ i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao. | Remember this, that the enemy hath reproached, O Lord, and that the foolish people have blasphemed thy name. |
| 19 | Aza manolotra ny ain’ ny voromailalanao ho an’ ny bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain’ ny olo-mahantranao. | O deliver not the soul of thy turtledove unto the multitude of the wicked: forget not the congregation of thy poor for ever. |
| 20 | Hevero ny fanekena; fa feno fonenan’ ny fandozana ny fitoera-maizina amin’ ny tany. | Have respect unto the covenant: for the dark places of the earth are full of the habitations of cruelty. |
| 21 | Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra; aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao. | O let not the oppressed return ashamed: let the poor and needy praise thy name. |
| 22 | Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian’ ny adala Anao isan’ andro. | Arise, O God, plead thine own cause: remember how the foolish man reproacheth thee daily. |
| 23 | Aza manadino ny feon’ ny rafinao, dia ny fitabataban’ ny mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva. | Forget not the voice of thine enemies: the tumult of those that rise up against thee increaseth continually. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL