시편 73편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 28절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo. | Truly God is good to Israel, even to such as are of a clean heart. |
| 2 | Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako, | But as for me, my feet were almost gone; my steps had well nigh slipped. |
| 3 | Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ ny ratsy fanahy. | For I was envious at the foolish, when I saw the prosperity of the wicked. |
| 4 | Fa tsy misy fanaintainana amin’ ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny. | For there are no bands in their death: but their strength is firm. |
| 5 | Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy. | They are not in trouble as other men; neither are they plagued like other men. |
| 6 | Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba. | Therefore pride compasseth them about as a chain; violence covereth them as a garment. |
| 7 | Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony. | Their eyes stand out with fatness: they have more than heart could wish. |
| 8 | Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy. | They are corrupt, and speak wickedly concerning oppression: they speak loftily. |
| 9 | Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany. | They set their mouth against the heavens, and their tongue walketh through the earth. |
| 10 | Izany no itodihan’ ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin’ ireny; | Therefore his people return hither: and waters of a full cup are wrung out to them. |
| 11 | Ka hoy izy: Hataon’ Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra? | And they say, How doth God know? and is there knowledge in the most High? |
| 12 | Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena. | Behold, these are the ungodly, who prosper in the world; they increase in riches. |
| 13 | Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin’ ny fahamarinana. | Verily I have cleansed my heart in vain, and washed my hands in innocency. |
| 14 | Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina. | For all the day long have I been plagued, and chastened every morning. |
| 15 | Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao. | If I say, I will speak thus; behold, I should offend against the generation of thy children. |
| 16 | Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany. | When I thought to know this, it was too painful for me; |
| 17 | Mandra-piditro tao amin’ ny fitoera-masin’ Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany. | Until I went into the sanctuary of God; then understood I their end. |
| 18 | Eo amin’ izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy. | Surely thou didst set them in slippery places: thou castedst them down into destruction. |
| 19 | Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy! | How are they brought into desolation, as in a moment! they are utterly consumed with terrors. |
| 20 | Tahaka ny anaovan’ ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik’ ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao. | As a dream when one awaketh; so, O Lord, when thou awakest, thou shalt despise their image. |
| 21 | Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako, | Thus my heart was grieved, and I was pricked in my reins. |
| 22 | Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho. | So foolish was I, and ignorant: I was as a beast before thee. |
| 23 | Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao. | Nevertheless I am continually with thee: thou hast holden me by my right hand. |
| 24 | Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ ny voninahitra aho. | Thou shalt guide me with thy counsel, and afterward receive me to glory. |
| 25 | Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin’ ny tany iriko tahaka Anao. | Whom have I in heaven but thee? and there is none upon earth that I desire beside thee. |
| 26 | Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. | My flesh and my heart faileth: but God is the strength of my heart, and my portion for ever. |
| 27 | Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. | For, lo, they that are far from thee shall perish: thou hast destroyed all them that go a whoring from thee. |
| 28 | Fa, izaho, dia ny ho akaikin’ Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho. | But it is good for me to draw near to God: I have put my trust in the Lord God, that I may declare all thy works. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL