시편 74편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 23절
- 1 Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin’ ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
- 2 Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.
- 3 Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin’ ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin’ ny fitoerana masìna dia simban’ ny fahavalo avokoa.
- 4 Nierona tao anatin’ ny fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana izy.
- 5 Ny fijery azy dia tahaka ny olona manainga famaky hijinja ny ala mikitroka;
- 6 Ary amin’ izao ny rafitra misoratra rehetra ao dia asiany ny famaky sy ny kanonta.
- 7 Efa nandoro ny fitoeranao masìna tamin’ ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin’ ny tany ny fonenan’ ny anaranao.
- 8 Hoy izy tam-pony: aoka hampahorintsika avokoa izy. Efa nandoro ny tranon’ Andriamanitra eran’ ny tany rehetra izy.
- 9 Tsy hitanay ny famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan’ izao.
- 10 Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian’ ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo?
- 11 Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Hianao? mampialà azy amin’ ny tratranao, ka mandringàna.
- 12 Fa Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin’ ny tany Izy.
- 13 Nampisaraka ny ranomasina tamin’ ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan’ ny dragona tao anaty rano Hianao.
- 14 Hianao nanorotoro ny lohan’ ny mamba ka nanome azy hohanin’ izay firenena any an-efitra.
- 15 Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.
- 16 Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.
- 17 Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy.
- 18 Tsarovy izao: Manaratsy an’ i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao.
- 19 Aza manolotra ny ain’ ny voromailalanao ho an’ ny bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain’ ny olo-mahantranao.
- 20 Hevero ny fanekena; fa feno fonenan’ ny fandozana ny fitoera-maizina amin’ ny tany.
- 21 Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra; aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao.
- 22 Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian’ ny adala Anao isan’ andro.
- 23 Aza manadino ny feon’ ny rafinao, dia ny fitabataban’ ny mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗