시편 73편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 28절
- 1 Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo.
- 2 Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako,
- 3 Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ ny ratsy fanahy.
- 4 Fa tsy misy fanaintainana amin’ ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.
- 5 Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.
- 6 Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.
- 7 Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony.
- 8 Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.
- 9 Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.
- 10 Izany no itodihan’ ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin’ ireny;
- 11 Ka hoy izy: Hataon’ Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?
- 12 Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.
- 13 Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin’ ny fahamarinana.
- 14 Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.
- 15 Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.
- 16 Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
- 17 Mandra-piditro tao amin’ ny fitoera-masin’ Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.
- 18 Eo amin’ izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.
- 19 Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!
- 20 Tahaka ny anaovan’ ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik’ ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.
- 21 Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako,
- 22 Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho.
- 23 Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.
- 24 Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ ny voninahitra aho.
- 25 Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin’ ny tany iriko tahaka Anao.
- 26 Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
- 27 Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.
- 28 Fa, izaho, dia ny ho akaikin’ Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗