시편 72편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 20절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Andriamanitra ô, omeo ho an’ ny mpanjaka ny fitsarànao, ary ho an’ ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao. | Give the king thy judgments, O God, and thy righteousness unto the king’s son. |
| 2 | Hitsara ny olonao amin’ ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin’ ny fahitsiana. | He shall judge thy people with righteousness, and thy poor with judgment. |
| 3 | Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an’ ny olona, eny, ny havoana koa amin’ ny fahamarinana. | The mountains shall bring peace to the people, and the little hills, by righteousness. |
| 4 | Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory. | He shall judge the poor of the people, he shall save the children of the needy, and shall break in pieces the oppressor. |
| 5 | Hatahotra anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin’ ny taranaka fara mandimby. | They shall fear thee as long as the sun and moon endure, throughout all generations. |
| 6 | Hidina tahaka ny ranonorana amin’ ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin’ ny tany. | He shall come down like rain upon the mown grass: as showers that water the earth. |
| 7 | Ny marina hitrebona amin’ ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. | In his days shall the righteous flourish; and abundance of peace so long as the moon endureth. |
| 8 | Ary hanjaka hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina izy, ary hatramin’ ny ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany. | He shall have dominion also from sea to sea, and from the river unto the ends of the earth. |
| 9 | Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka. | They that dwell in the wilderness shall bow before him; and his enemies shall lick the dust. |
| 10 | Ny mpanjakan’ i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan’ i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana. | The kings of Tarshish and of the isles shall bring presents: the kings of Sheba and Seba shall offer gifts. |
| 11 | Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy. | Yea, all kings shall fall down before him: all nations shall serve him. |
| 12 | Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; | For he shall deliver the needy when he crieth; the poor also, and him that hath no helper. |
| 13 | Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ ny malahelo. | He shall spare the poor and needy, and shall save the souls of the needy. |
| 14 | Hanavotra ny fanahiny amin’ ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny. | He shall redeem their soul from deceit and violence: and precious shall their blood be in his sight. |
| 15 | Dia ho velona ireny ka hanome azy volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan’ andro no hisaorany azy. | And he shall live, and to him shall be given of the gold of Sheba: prayer also shall be made for him continually; and daily shall he be praised. |
| 16 | Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ ny tany. | There shall be an handful of corn in the earth upon the top of the mountains; the fruit thereof shall shake like Lebanon: and they of the city shall flourish like grass of the earth. |
| 17 | Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra. | His name shall endure for ever: his name shall be continued as long as the sun: and men shall be blessed in him: all nations shall call him blessed. |
| 18 | Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana; | Blessed be the Lord God, the God of Israel, who only doeth wondrous things. |
| 19 | Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena. | And blessed be his glorious name for ever: and let the whole earth be filled with his glory; Amen, and Amen. |
| 20 | Tapitra ny fivavak’ i Davida, zanak’ i Jese. | The prayers of David the son of Jesse are ended. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL