시편 71편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 24절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Hianao, Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho. | In thee, O Lord, do I put my trust: let me never be put to confusion. |
| 2 | Vonjeo ny fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho. | Deliver me in thy righteousness, and cause me to escape: incline thine ear unto me, and save me. |
| 3 | Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao. | Be thou my strong habitation, whereunto I may continually resort: thou hast given commandment to save me; for thou art my rock and my fortress. |
| 4 | Andriamanitro ô, afaho amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy aho, dia amin’ ny tanan’ ny mpanao meloka sy ny lozabe. | Deliver me, O my God, out of the hand of the wicked, out of the hand of the unrighteous and cruel man. |
| 5 | Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. | For thou art my hope, O Lord God: thou art my trust from my youth. |
| 6 | Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva. | By thee have I been holden up from the womb: thou art he that took me out of my mother’s bowels: my praise shall be continually of thee. |
| 7 | Tonga toa zava-mahagaga eo imason’ ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy. | I am as a wonder unto many; but thou art my strong refuge. |
| 8 | Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva. | Let my mouth be filled with thy praise and with thy honour all the day. |
| 9 | Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko. | Cast me not off in the time of old age; forsake me not when my strength faileth. |
| 10 | Fa miresaka ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko. | For mine enemies speak against me; and they that lay wait for my soul take counsel together, |
| 11 | Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy. | Saying, God hath forsaken him: persecute and take him; for there is none to deliver him. |
| 12 | Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy. | O God, be not far from me: O my God, make haste for my help. |
| 13 | Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy. | Let them be confounded and consumed that are adversaries to my soul; let them be covered with reproach and dishonour that seek my hurt. |
| 14 | Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao. | But I will hope continually, and will yet praise thee more and more. |
| 15 | Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany. | My mouth shall shew forth thy righteousness and thy salvation all the day; for I know not the numbers thereof. |
| 16 | Ho entiko ny asa lehibe nataon’ i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany. | I will go in the strength of the Lord God: I will make mention of thy righteousness, even of thine only. |
| 17 | Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho. | O God, thou hast taught me from my youth: and hitherto have I declared thy wondrous works. |
| 18 | Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’ izay rehetra mbola ho avy. | Now also when I am old and grayheaded, O God, forsake me not; until I have shewed thy strength unto this generation, and thy power to every one that is to come. |
| 19 | Ary mihatra amin’ izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao? | Thy righteousness also, O God, is very high, who hast done great things: O God, who is like unto thee! |
| 20 | Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray, ka hampiakatra ahy indray hiala amin’ ny fitoerana lalina amin’ ny tany. | Thou, which hast shewed me great and sore troubles, shalt quicken me again, and shalt bring me up again from the depths of the earth. |
| 21 | Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao. | Thou shalt increase my greatness, and comfort me on every side. |
| 22 | Izaho kosa hidera Anao amin’ ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin’ ny lokanga aho, ry Iray Masin’ ny Isiraely ô. | I will also praise thee with the psaltery, even thy truth, O my God: unto thee will I sing with the harp, O thou Holy One of Israel. |
| 23 | Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao; | My lips shall greatly rejoice when I sing unto thee; and my soul, which thou hast redeemed. |
| 24 | Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy. | My tongue also shall talk of thy righteousness all the day long: for they are confounded, for they are brought unto shame, that seek my hurt. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL