시편 69편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 36절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Save me, O God; for the waters are come in unto my soul. |
| 2 | Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin’ ny aiko ny rano. | I sink in deep mire, where there is no standing: I am come into deep waters, where the floods overflow me. |
| 3 | Milentika amin’ ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin’ ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka. | I am weary of my crying: my throat is dried: mine eyes fail while I wait for my God. |
| 4 | Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an’ Andriamanitro aho. | They that hate me without a cause are more than the hairs of mine head: they that would destroy me, being mine enemies wrongfully, are mighty: then I restored that which I took not away. |
| 5 | Maro noho ny volon-dohako ny isan’ izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy. | O God, thou knowest my foolishness; and my sins are not hid from thee. |
| 6 | Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao. | Let not them that wait on thee, O Lord God of hosts, be ashamed for my sake: let not those that seek thee be confounded for my sake, O God of Israel. |
| 7 | Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô. | Because for thy sake I have borne reproach; shame hath covered my face. |
| 8 | Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako. | I am become a stranger unto my brethren, and an alien unto my mother’s children. |
| 9 | Efa vahiny amin’ ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin’ ny zanak’ ineny aho. | For the zeal of thine house hath eaten me up; and the reproaches of them that reproached thee are fallen upon me. |
| 10 | Fa ny firehetako ny amin’ ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon’ izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko. | When I wept, and chastened my soul with fasting, that was to my reproach. |
| 11 | Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany. | I made sackcloth also my garment; and I became a proverb to them. |
| 12 | Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentinteny tamin’ ireny aho. | They that sit in the gate speak against me; and I was the song of the drunkards. |
| 13 | Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon’ ny mpisotro toaka an-kira aho. | But as for me, my prayer is unto thee, O Lord, in an acceptable time: O God, in the multitude of thy mercy hear me, in the truth of thy salvation. |
| 14 | Fa izaho hivavaka aminao amin’ ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao, Andriamanitra ô noho ny haben’ ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan’ ny famonjenao. | Deliver me out of the mire, and let me not sink: let me be delivered from them that hate me, and out of the deep waters. |
| 15 | Afaho amin’ ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin’ izay mankahala ahy sy amin’ ny rano lalina. | Let not the waterflood overflow me, neither let the deep swallow me up, and let not the pit shut her mouth upon me. |
| 16 | Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana. | Hear me, O Lord; for thy lovingkindness is good: turn unto me according to the multitude of thy tender mercies. |
| 17 | Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben’ ny fiantranao. | And hide not thy face from thy servant; for I am in trouble: hear me speedily. |
| 18 | Ary aza manafina ny tavanao amin’ ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao. | Draw nigh unto my soul, and redeem it: deliver me because of mine enemies. |
| 19 | Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon’ ny fahavaloko. | Thou hast known my reproach, and my shame, and my dishonour: mine adversaries are all before thee. |
| 20 | Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra. | Reproach hath broken my heart; and I am full of heaviness: and I looked for some to take pity, but there was none; and for comforters, but I found none. |
| 21 | Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita. | They gave me also gall for my meat; and in my thirst they gave me vinegar to drink. |
| 22 | Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho. | Let their table become a snare before them: and that which should have been for their welfare, let it become a trap. |
| 23 | Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an’ ny tsy manana ahiahy. | Let their eyes be darkened, that they see not; and make their loins continually to shake. |
| 24 | Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany. | Pour out thine indignation upon them, and let thy wrathful anger take hold of them. |
| 25 | Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan’ ny fahaviniranao. | Let their habitation be desolate; and let none dwell in their tents. |
| 26 | Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy. | For they persecute him whom thou hast smitten; and they talk to the grief of those whom thou hast wounded. |
| 27 | Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian’ ny voatsindronao dia lazalazainy. | Add iniquity unto their iniquity: and let them not come into thy righteousness. |
| 28 | Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin’ ny fahamarinanao izy. | Let them be blotted out of the book of the living, and not be written with the righteous. |
| 29 | Aoka hovonoina tsy ho eo amin’ ny bokin’ ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin’ ny marina. | But I am poor and sorrowful: let thy salvation, O God, set me up on high. |
| 30 | Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy. | I will praise the name of God with a song, and will magnify him with thanksgiving. |
| 31 | Hankalaza ny anaran’ Andriamanitra amin’ ny fihirana aho, ary hidera Azy amin’ ny fisaorana. | This also shall please the Lord better than an ox or bullock that hath horns and hoofs. |
| 32 | Fa ho sitrak’ i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr’ ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro. | The humble shall see this, and be glad: and your heart shall live that seek God. |
| 33 | Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’ Andriamanitra. | For the Lord heareth the poor, and despiseth not his prisoners. |
| 34 | Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny. | Let the heaven and earth praise him, the seas, and every thing that moveth therein. |
| 35 | Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy. | For God will save Zion, and will build the cities of Judah: that they may dwell there, and have it in possession. |
| 36 | Fa Andriamanitra hamonjy an’ i Ziona sady hanangana ny tanànan’ ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony; | The seed also of his servants shall inherit it: and they that love his name shall dwell therein. |
| 37 | Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL