시편 68편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 35절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Let God arise, let his enemies be scattered: let them also that hate him flee before him. |
| 2 | Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany. | As smoke is driven away, so drive them away: as wax melteth before the fire, so let the wicked perish at the presence of God. |
| 3 | Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ ny savoka eo anoloan’ ny afo no aoka hahalevonan’ ny ratsy fanahy eo anatrehan’ Andriamanitra. | But let the righteous be glad; let them rejoice before God: yea, let them exceedingly rejoice. |
| 4 | Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan’ Andriamanitra izy ka faly tokoa. | Sing unto God, sing praises to his name: extol him that rideth upon the heavens by his name Jah, and rejoice before him. |
| 5 | Mihirà ho an’ Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an’ izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany. | A father of the fatherless, and a judge of the widows, is God in his holy habitation. |
| 6 | Rain’ ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin’ ny fonenany masìna. | God setteth the solitary in families: he bringeth out those which are bound with chains: but the rebellious dwell in a dry land. |
| 7 | Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin’ ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin’ ny tany karankaina. | O God, when thou wentest forth before thy people, when thou didst march through the wilderness; Selah: |
| 8 | Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ ny olonao Hianao ka namaky ny efitra, [Sela.] | The earth shook, the heavens also dropped at the presence of God: even Sinai itself was moved at the presence of God, the God of Israel. |
| 9 | Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely. | Thou, O God, didst send a plentiful rain, whereby thou didst confirm thine inheritance, when it was weary. |
| 10 | Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao. | Thy congregation hath dwelt therein: thou, O God, hast prepared of thy goodness for the poor. |
| 11 | Ny olonao tamàn-toerana teo; mamboatra ho an’ ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô. | The Lord gave the word: great was the company of those that published it. |
| 12 | Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe. | Kings of armies did flee apace: and she that tarried at home divided the spoil. |
| 13 | Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo. | Though ye have lien among the pots, yet shall ye be as the wings of a dove covered with silver, and her feathers with yellow gold. |
| 14 | Raha mandry eo amin’ ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara | When the Almighty scattered kings in it, it was white as snow in Salmon. |
| 15 | Raha aelin’ ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona. | The hill of God is as the hill of Bashan; an high hill as the hill of Bashan. |
| 16 | Tendrombohitr’ Andriamanitra ny tendrombohitr’ i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr’ i Basana. | Why leap ye, ye high hills? this is the hill which God desireth to dwell in; yea, the Lord will dwell in it for ever. |
| 17 | Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian’ Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah. | The chariots of God are twenty thousand, even thousands of angels: the Lord is among them, as in Sinai, in the holy place. |
| 18 | Ny kalesin’ Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin’ ny itoerana masìna. | Thou hast ascended on high, thou hast led captivity captive: thou hast received gifts for men; yea, for the rebellious also, that the Lord God might dwell among them. |
| 19 | Efa niakatra ho any amin’ ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin’ ny olombelona Hianao ― eny, teo amin’ ny maditra aza,― mba hitoeran’ i Jehovah Andriamanitra any. | Blessed be the Lord, who daily loadeth us with benefits, even the God of our salvation. Selah. |
| 20 | Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan’ andro isan’ andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. [Sela.] | He that is our God is the God of salvation; and unto God the Lord belong the issues from death. |
| 21 | Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an’ i Jehovah Tompo ny fanafahana amin’ ny fahafatesana. | But God shall wound the head of his enemies, and the hairy scalp of such an one as goeth on still in his trespasses. |
| 22 | Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan’ ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an’ izay mandroso amin’ ny fahadisoany. | The Lord said, I will bring again from Bashan, I will bring my people again from the depths of the sea: |
| 23 | Lazain’ ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin’ ny ranomasina lalina Aho, | That thy foot may be dipped in the blood of thine enemies, and the tongue of thy dogs in the same. |
| 24 | Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran’ ny lelan’ ny amboanao ny fahavalo. | They have seen thy goings, O God; even the goings of my God, my King, in the sanctuary. |
| 25 | Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan’ Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin’ ny fitoerana masìna. | The singers went before, the players on instruments followed after; among them were the damsels playing with timbrels. |
| 26 | Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan’ ny zatovovavy mively ampongatapaka. | Bless ye God in the congregations, even the Lord, from the fountain of Israel. |
| 27 | Misaora an’ Andriamanitra eo amin’ ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin’ ny loharanon’ ny Isiraely. | There is little Benjamin with their ruler, the princes of Judah and their council, the princes of Zebulun, and the princes of Naphtali. |
| 28 | Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon’ ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly. | Thy God hath commanded thy strength: strengthen, O God, that which thou hast wrought for us. |
| 29 | Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao. | Because of thy temple at Jerusalem shall kings bring presents unto thee. |
| 30 | Noho ny tempolinao eo an-tampon’ i Jerosalema, no hitondran’ ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao. | Rebuke the company of spearmen, the multitude of the bulls, with the calves of the people, till every one submit himself with pieces of silver: scatter thou the people that delight in war. |
| 31 | Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian’ ny ombilahy mbamin’ ireo vahoaka zanak’ omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady | Princes shall come out of Egypt; Ethiopia shall soon stretch out her hands unto God. |
| 32 | Ho avy ny tremalahin’ i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin’ Andriamanitra. | Sing unto God, ye kingdoms of the earth; O sing praises unto the Lord; Selah: |
| 33 | Ry fanjakana ambonin’ ny tany, mihirà ho an’ Andriamanitra; mankalazà ny Tompo, [Sela.] | To him that rideth upon the heavens of heavens, which were of old; lo, he doth send out his voice, and that a mighty voice. |
| 34 | Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery. | Ascribe ye strength unto God: his excellency is over Israel, and his strength is in the clouds. |
| 35 | Ekeo ho an’ Andriamanitra ny hery; ambonin’ ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin’ ny lanitra. | O God, thou art terrible out of thy holy places: the God of Israel is he that giveth strength and power unto his people. Blessed be God. |
| 36 | Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin’ ny fitoeranao masìna; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an’ ny olona. Isaorana anie Andriamanitra. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL