시편 68편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 35절
- 2 Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.
- 3 Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ ny savoka eo anoloan’ ny afo no aoka hahalevonan’ ny ratsy fanahy eo anatrehan’ Andriamanitra.
- 4 Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan’ Andriamanitra izy ka faly tokoa.
- 5 Mihirà ho an’ Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an’ izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
- 6 Rain’ ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin’ ny fonenany masìna.
- 7 Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin’ ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin’ ny tany karankaina.
- 8 Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ ny olonao Hianao ka namaky ny efitra, [Sela.]
- 9 Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
- 10 Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.
- 11 Ny olonao tamàn-toerana teo; mamboatra ho an’ ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.
- 12 Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.
- 13 Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.
- 14 Raha mandry eo amin’ ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara
- 15 Raha aelin’ ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.
- 16 Tendrombohitr’ Andriamanitra ny tendrombohitr’ i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr’ i Basana.
- 17 Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian’ Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.
- 18 Ny kalesin’ Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin’ ny itoerana masìna.
- 19 Efa niakatra ho any amin’ ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin’ ny olombelona Hianao ― eny, teo amin’ ny maditra aza,― mba hitoeran’ i Jehovah Andriamanitra any.
- 20 Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan’ andro isan’ andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. [Sela.]
- 21 Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an’ i Jehovah Tompo ny fanafahana amin’ ny fahafatesana.
- 22 Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan’ ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an’ izay mandroso amin’ ny fahadisoany.
- 23 Lazain’ ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin’ ny ranomasina lalina Aho,
- 24 Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran’ ny lelan’ ny amboanao ny fahavalo.
- 25 Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan’ Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin’ ny fitoerana masìna.
- 26 Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan’ ny zatovovavy mively ampongatapaka.
- 27 Misaora an’ Andriamanitra eo amin’ ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin’ ny loharanon’ ny Isiraely.
- 28 Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon’ ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.
- 29 Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
- 30 Noho ny tempolinao eo an-tampon’ i Jerosalema, no hitondran’ ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.
- 31 Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian’ ny ombilahy mbamin’ ireo vahoaka zanak’ omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady
- 32 Ho avy ny tremalahin’ i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin’ Andriamanitra.
- 33 Ry fanjakana ambonin’ ny tany, mihirà ho an’ Andriamanitra; mankalazà ny Tompo, [Sela.]
- 34 Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery.
- 35 Ekeo ho an’ Andriamanitra ny hery; ambonin’ ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin’ ny lanitra.
- 36 Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin’ ny fitoeranao masìna; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an’ ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗