로그인

시편 67편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 7절

  1. 2 Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; [Sela.] hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
  2. 3 Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra.
  3. 4 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
  4. 5 Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. [Sela.]
  5. 6 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
  6. 7 Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
  7. 8 Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗