시편 66편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 20절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Mihobia ho an’ Andriamanitra, ry tany rehetra; | Make a joyful noise unto God, all ye lands: |
| 2 | Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy. | Sing forth the honour of his name: make his praise glorious. |
| 3 | Lazao amin’ Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ ny herinao no hikoizan’ ny fahavalonao Anao. | Say unto God, How terrible art thou in thy works! through the greatness of thy power shall thine enemies submit themselves unto thee. |
| 4 | Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. [Sela.] | All the earth shall worship thee, and shall sing unto thee; they shall sing to thy name. Selah. |
| 5 | Avia, ka jereo ny asan’ Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ ny zanak’ olombelona. | Come and see the works of God: he is terrible in his doing toward the children of men. |
| 6 | Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra. | He turned the sea into dry land: they went through the flood on foot: there did we rejoice in him. |
| 7 | Manjaka mandrakizay amin’ ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra. [Sela.] | He ruleth by his power for ever; his eyes behold the nations: let not the rebellious exalt themselves. Selah. |
| 8 | Misaora an’ Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy, | O bless our God, ye people, and make the voice of his praise to be heard: |
| 9 | Izay mampitoetra ny fanahintsika amin’ ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo. | Which holdeth our soul in life, and suffereth not our feet to be moved. |
| 10 | Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ ny memy. | For thou, O God, hast proved us: thou hast tried us, as silver is tried. |
| 11 | Efa nampiditra anay tamin’ ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao. | Thou broughtest us into the net; thou laidst affliction upon our loins. |
| 12 | Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin’ ny fitahiana mahatretrika Hianao. | Thou hast caused men to ride over our heads; we went through fire and through water: but thou broughtest us out into a wealthy place. |
| 13 | Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko, | I will go into thy house with burnt offerings: I will pay thee my vows, |
| 14 | Izay notononin’ ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana. | Which my lips have uttered, and my mouth hath spoken, when I was in trouble. |
| 15 | Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin’ ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho. [Sela.] | I will offer unto thee burnt sacrifices of fatlings, with the incense of rams; I will offer bullocks with goats. Selah. |
| 16 | Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’ Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ ny fanahiko. | Come and hear, all ye that fear God, and I will declare what he hath done for my soul. |
| 17 | Izy no nantsoin’ ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ ny lelako. | I cried unto him with my mouth, and he was extolled with my tongue. |
| 18 | Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo; | If I regard iniquity in my heart, the Lord will not hear me: |
| 19 | Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon’ ny fivavako Izy. | But verily God hath heard me; he hath attended to the voice of my prayer. |
| 20 | Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko. | Blessed be God, which hath not turned away my prayer, nor his mercy from me. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL