시편 65편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 13절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Praise waiteth for thee, O God, in Sion: and unto thee shall the vow be performed. |
| 2 | Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady. | O thou that hearest prayer, unto thee shall all flesh come. |
| 3 | Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ ny nofo rehetra. | Iniquities prevail against me: as for our transgressions, thou shalt purge them away. |
| 4 | Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay. | Blessed is the man whom thou choosest, and causest to approach unto thee, that he may dwell in thy courts: we shall be satisfied with the goodness of thy house, even of thy holy temple. |
| 5 | Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ ny tranonao izahay dia ny zava-masìna ao amin’ ny tempolinao. | By terrible things in righteousness wilt thou answer us, O God of our salvation; who art the confidence of all the ends of the earth, and of them that are afar off upon the sea: |
| 6 | Zava-mahatahotra no ataonao amin’ ny fahamarinana ho valin’ ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin’ ny faran’ ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny. | Which by his strength setteth fast the mountains; being girded with power: |
| 7 | Mampiorina ny tendrombohitra amin’ ny heriny Izy, misikìna fahatanjahana Izy. | Which stilleth the noise of the seas, the noise of their waves, and the tumult of the people. |
| 8 | Mampitsahatra ny firohondrohon’ ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban’ ny firenena. | They also that dwell in the uttermost parts are afraid at thy tokens: thou makest the outgoings of the morning and evening to rejoice. |
| 9 | Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran’ ny tany; ny any amin’ ny fiposahan’ ny maraina sy ny hariva no ampihobinao. | Thou visitest the earth, and waterest it: thou greatly enrichest it with the river of God, which is full of water: thou preparest them corn, when thou hast so provided for it. |
| 10 | Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao ― Ny onin’ Andriamanitra dia tondra-drano ― Mamboatra vary ho an’ ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany. | Thou waterest the ridges thereof abundantly: thou settlest the furrows thereof: thou makest it soft with showers: thou blessest the springing thereof. |
| 11 | Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao. | Thou crownest the year with thy goodness; and thy paths drop fatness. |
| 12 | Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka. | They drop upon the pastures of the wilderness: and the little hills rejoice on every side. |
| 13 | Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikìna fifaliana ny havoana. | The pastures are clothed with flocks; the valleys also are covered over with corn; they shout for joy, they also sing. |
| 14 | Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL