시편 63편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 11절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | O God, thou art my God; early will I seek thee: my soul thirsteth for thee, my flesh longeth for thee in a dry and thirsty land, where no water is; |
| 2 | Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano; | To see thy power and thy glory, so as I have seen thee in the sanctuary. |
| 3 | Toy izany no nijereko Anao tao amin’ ny fitoerana masìna, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao. | Because thy lovingkindness is better than life, my lips shall praise thee. |
| 4 | Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao. | Thus will I bless thee while I live: I will lift up my hands in thy name. |
| 5 | Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ ny anaranao no hanandratako ny tanako. | My soul shall be satisfied as with marrow and fatness; and my mouth shall praise thee with joyful lips: |
| 6 | Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ ny fanahiko; ary amin’ ny molotra falifaly no hideran’ ny vavako Anao. | When I remember thee upon my bed, and meditate on thee in the night watches. |
| 7 | Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin’ ny fiambenan’ alina. | Because thou hast been my help, therefore in the shadow of thy wings will I rejoice. |
| 8 | Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin’ ny aloky ny elatrao no hihobiako. | My soul followeth hard after thee: thy right hand upholdeth me. |
| 9 | Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana. | But those that seek my soul, to destroy it, shall go into the lower parts of the earth. |
| 10 | Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin’ ny tenany; hiditra any ambanin’ ny tany izy; | They shall fall by the sword: they shall be a portion for foxes. |
| 11 | Hatolotra ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy; ho anjaran’ ny amboahaolo izy. | But the king shall rejoice in God; every one that sweareth by him shall glory: but the mouth of them that speak lies shall be stopped. |
| 12 | Fa ny mpanjaka hifaly amin’ Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan’ izay rehetra mandainga. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL