로그인

시편 61편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 — Hear my cry, O God; attend unto my prayer.
2 Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako. From the end of the earth will I cry unto thee, when my heart is overwhelmed: lead me to the rock that is higher than I.
3 Any am-paran’ ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin’ ny vatolampy izay avo ka tsy tratro; For thou hast been a shelter for me, and a strong tower from the enemy.
4 Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo. I will abide in thy tabernacle for ever: I will trust in the covert of thy wings. Selah.
5 Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin’ ny fanomban’ ny elatrao aho, For thou, O God, hast heard my vows: thou hast given me the heritage of those that fear thy name.
6 Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan’ izay matahotra ny anaranao. Thou wilt prolong the king’s life: and his years as many generations.
7 Halavao ny andron’ ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro. He shall abide before God for ever: O prepare mercy and truth, which may preserve him.
8 Aoka hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy; So will I sing praise unto thy name for ever, that I may daily perform my vows.
9 Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan’ andro ny voadiko. —

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL