시편 60편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 14절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ho an’ ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon’ i Davida hampianarana, | O God, thou hast cast us off, thou hast scattered us, thou hast been displeased; O turn thyself to us again. |
| 2 | fony izy nanafika an’ i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin’ ny niverenan’ i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin’ ny lohasahan-tsira. | Thou hast made the earth to tremble; thou hast broken it: heal the breaches thereof; for it shaketh. |
| 3 | Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay. | Thou hast shewed thy people hard things: thou hast made us to drink the wine of astonishment. |
| 4 | Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy. | Thou hast given a banner to them that fear thee, that it may be displayed because of the truth. Selah. |
| 5 | Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky. | That thy beloved may be delivered; save with thy right hand, and hear me. |
| 6 | Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana. [Sela.] | God hath spoken in his holiness; I will rejoice, I will divide Shechem, and mete out the valley of Succoth. |
| 7 | Mba hahafahan’ ny malalanao, dia vonjeo amin’ ny tananao ankavanana aho, ka valio. | Gilead is mine, and Manasseh is mine; Ephraim also is the strength of mine head; Judah is my lawgiver; |
| 8 | Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema; ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko; | Moab is my washpot; over Edom will I cast out my shoe: Philistia, triumph thou because of me. |
| 9 | Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron’ ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda; | Who will bring me into the strong city? who will lead me into Edom? |
| 10 | Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia. | Wilt not thou, O God, which hadst cast us off? and thou, O God, which didst not go out with our armies? |
| 11 | Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma? | Give us help from trouble: for vain is the help of man. |
| 12 | Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin’ ny antokon’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô? | Through God we shall do valiantly: for he it is that shall tread down our enemies. |
| 13 | Vonjeo amin’ ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon’ ny olona. | — |
| 14 | Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL