시편 59편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Deliver me from mine enemies, O my God: defend me from them that rise up against me. |
| 2 | Afaho amin’ ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin’ ny avo aho tsy ho azon’ izay miodina amiko. | Deliver me from the workers of iniquity, and save me from bloody men. |
| 3 | Afaho amin’ ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin’ ny mpandatsa-drà. | For, lo, they lie in wait for my soul: the mighty are gathered against me; not for my transgression, nor for my sin, O Lord. |
| 4 | Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô. | They run and prepare themselves without my fault: awake to help me, and behold. |
| 5 | Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo. | Thou therefore, O Lord God of hosts, the God of Israel, awake to visit all the heathen: be not merciful to any wicked transgressors. Selah. |
| 6 | Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin’ izay mpivadika ratsy fanahy. [Sela.] | They return at evening: they make a noise like a dog, and go round about the city. |
| 7 | Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna. | Behold, they belch out with their mouth: swords are in their lips: for who, say they, doth hear? |
| 8 | Indro, mirezadrezatra amin’ ny vavany izy; sabatra no eo amin’ ny molony, fa iza, hono, no handre? | But thou, O Lord, shalt laugh at them; thou shalt have all the heathen in derision. |
| 9 | Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra. | Because of his strength will I wait upon thee: for God is my defence. |
| 10 | Koa noho ny herin’ ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy. | The God of my mercy shall prevent me: God shall let me see my desire upon mine enemies. |
| 11 | Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon’ Andriamanitra faly mijery ny amin’ ny fahavaloko aho. | Slay them not, lest my people forget: scatter them by thy power; and bring them down, O Lord our shield. |
| 12 | Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin’ ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay. | For the sin of their mouth and the words of their lips let them even be taken in their pride: and for cursing and lying which they speak. |
| 13 | Ny fahotan’ ny vavany dia ny tenin’ ny molony; aoka hosamborina amin’ ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony. | Consume them in wrath, consume them, that they may not be: and let them know that God ruleth in Jacob unto the ends of the earth. Selah. |
| 14 | Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin’ ny Jakoba ka hatramin’ ny faran’ ny tany. [Sela.] | And at evening let them return; and let them make a noise like a dog, and go round about the city. |
| 15 | Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna. | Let them wander up and down for meat, and grudge if they be not satisfied. |
| 16 | Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina. | But I will sing of thy power; yea, I will sing aloud of thy mercy in the morning: for thou hast been my defence and refuge in the day of my trouble. |
| 17 | Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin’ ny andro fahoriana. | Unto thee, O my strength, will I sing: for God is my defence, and the God of my mercy. |
| 18 | Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL