시편 58편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 11절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Do ye indeed speak righteousness, O congregation? do ye judge uprightly, O ye sons of men? |
| 2 | Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak’ olombelona? | Yea, in heart ye work wickedness; ye weigh the violence of your hands in the earth. |
| 3 | Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan’ ny tananareo etỳ an-tany ianareo. | The wicked are estranged from the womb: they go astray as soon as they be born, speaking lies. |
| 4 | Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga. | Their poison is like the poison of a serpent: they are like the deaf adder that stoppeth her ear; |
| 5 | Misy poizina tahaka ny an’ ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy, | Which will not hearken to the voice of charmers, charming never so wisely. |
| 6 | Ka tsy mihaino ny feon’ ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza. | Break their teeth, O God, in their mouth: break out the great teeth of the young lions, O Lord. |
| 7 | Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan’ ny liona tanora, Jehovah ô. | Let them melt away as waters which run continually: when he bendeth his bow to shoot his arrows, let them be as cut in pieces. |
| 8 | Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny; | As a snail which melteth, let every one of them pass away: like the untimely birth of a woman, that they may not see the sun. |
| 9 | Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy. | Before your pots can feel the thorns, he shall take them away as with a whirlwind, both living, and in his wrath. |
| 10 | Dieny tsy mbola mafanan’ ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina. | The righteous shall rejoice when he seeth the vengeance: he shall wash his feet in the blood of the wicked. |
| 11 | Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin’ ny ran’ ny ratsy fanahy izy; | So that a man shall say, Verily there is a reward for the righteous: verily he is a God that judgeth in the earth. |
| 12 | Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an’ ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin’ ny tany. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL