시편 53편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 6절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | The fool hath said in his heart, There is no God. Corrupt are they, and have done abominable iniquity: there is none that doeth good. |
| 2 | Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao ny tsara. | God looked down from heaven upon the children of men, to see if there were any that did understand, that did seek God. |
| 3 | Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra. | Every one of them is gone back: they are altogether become filthy; there is none that doeth good, no, not one. |
| 4 | Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza. | Have the workers of iniquity no knowledge? who eat up my people as they eat bread: they have not called upon God. |
| 5 | Tsy mahalala va ny mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra tsy antsoiny? | There were they in great fear, where no fear was: for God hath scattered the bones of him that encampeth against thee: thou hast put them to shame, because God hath despised them. |
| 6 | Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan’ izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian’ Andriamanitra izy. | Oh that the salvation of Israel were come out of Zion! When God bringeth back the captivity of his people, Jacob shall rejoice, and Israel shall be glad. |
| 7 | Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin’ Andriamanitra avy amin’ ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL