시편 52편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 11절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ho an’ ny mpiventy hira. Maskila nataon’ i Davida, | Why boastest thou thyself in mischief, O mighty man? the goodness of God endureth continually. |
| 2 | fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin’ i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon’ i Ahimeleka. | Thy tongue deviseth mischiefs; like a sharp razor, working deceitfully. |
| 3 | Nahoana no mandoka tena amin’ ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon’ Andriamanitra maharitra mandrakariva. | Thou lovest evil more than good; and lying rather than to speak righteousness. Selah. |
| 4 | Loza no heverin’ ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka. | Thou lovest all devouring words, O thou deceitful tongue. |
| 5 | Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina. [Sela.] | God shall likewise destroy thee for ever, he shall take thee away, and pluck thee out of thy dwelling place, and root thee out of the land of the living. Selah. |
| 6 | Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka. | The righteous also shall see, and fear, and shall laugh at him: |
| 7 | Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin’ ny tanin’ ny velona. [Sela.] | Lo, this is the man that made not God his strength; but trusted in the abundance of his riches, and strengthened himself in his wickedness. |
| 8 | Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe: | But I am like a green olive tree in the house of God: I trust in the mercy of God for ever and ever. |
| 9 | Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an’ Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben’ ny hareny ka nikikitra tamin’ ny faharatsiany. | I will praise thee for ever, because thou hast done it: and I will wait on thy name; for it is good before thy saints. |
| 10 | Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon’ Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon’ Andriamanitra mandrakizay doria aho. | — |
| 11 | Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan’ ny olonao masìna aho, fa tsara izany. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL