시편 51편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 21절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida, | Have mercy upon me, O God, according to thy lovingkindness: according unto the multitude of thy tender mercies blot out my transgressions. |
| 2 | fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an’ i Batseba izy. | Wash me throughly from mine iniquity, and cleanse me from my sin. |
| 3 | Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. | For I acknowledge my transgressions: and my sin is ever before me. |
| 4 | Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. | Against thee, thee only, have I sinned, and done this evil in thy sight: that thou mightest be justified when thou speakest, and be clear when thou judgest. |
| 5 | Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. | Behold, I was shapen in iniquity; and in sin did my mother conceive me. |
| 6 | Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara. | Behold, thou desirest truth in the inward parts: and in the hidden part thou shalt make me to know wisdom. |
| 7 | Indro, tamin’ ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko. | Purge me with hyssop, and I shall be clean: wash me, and I shall be whiter than snow. |
| 8 | Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin’ ny miafina no ampahafantarinao ahy. | Make me to hear joy and gladness; that the bones which thou hast broken may rejoice. |
| 9 | Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka. | Hide thy face from my sins, and blot out all mine iniquities. |
| 10 | Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao. | Create in me a clean heart, O God; and renew a right spirit within me. |
| 11 | Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. | Cast me not away from thy presence; and take not thy holy spirit from me. |
| 12 | Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. | Restore unto me the joy of thy salvation; and uphold me with thy free spirit. |
| 13 | Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masìna amiko. | Then will I teach transgressors thy ways; and sinners shall be converted unto thee. |
| 14 | Ampodio amiko ny fifaliana amin’ ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho. | Deliver me from bloodguiltiness, O God, thou God of my salvation: and my tongue shall sing aloud of thy righteousness. |
| 15 | Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao. | O Lord, open thou my lips; and my mouth shall shew forth thy praise. |
| 16 | Vonjeo ho afaka amin’ ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako. | For thou desirest not sacrifice; else would I give it: thou delightest not in burnt offering. |
| 17 | Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako. | The sacrifices of God are a broken spirit: a broken and a contrite heart, O God, thou wilt not despise. |
| 18 | Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao. | Do good in thy good pleasure unto Zion: build thou the walls of Jerusalem. |
| 19 | Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona. | Then shalt thou be pleased with the sacrifices of righteousness, with burnt offering and whole burnt offering: then shall they offer bullocks upon thine altar. |
| 20 | Manaova soa amin’ i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan’ i Jerosalema. | — |
| 21 | Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin’ ny afo; dia hanatitra vantotr’ ombilahy eo amin’ ny alitaranao ny olona. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL