시편 50편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 23절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany. | The mighty God, even the Lord, hath spoken, and called the earth from the rising of the sun unto the going down thereof. |
| 2 | Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan’ Andriamanitra. | Out of Zion, the perfection of beauty, God hath shined. |
| 3 | Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy. | Our God shall come, and shall not keep silence: a fire shall devour before him, and it shall be very tempestuous round about him. |
| 4 | Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony: | He shall call to the heavens from above, and to the earth, that he may judge his people. |
| 5 | Angony etỳ amiko ny oloko masìna izay manao fanekena amiko amin’ ny fanatitra. | Gather my saints together unto me; those that have made a covenant with me by sacrifice. |
| 6 | Hasehon’ ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara. [Sela.] | And the heavens shall declare his righteousness: for God is judge himself. Selah. |
| 7 | Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao. | Hear, O my people, and I will speak; O Israel, and I will testify against thee: I am God, even thy God. |
| 8 | Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao. | I will not reprove thee for thy sacrifices or thy burnt offerings, to have been continually before me. |
| 9 | Tsy maka vantotr’ ombilahy amin’ ny tranonao Aho, na osilahy amin’ ny valanao; | I will take no bullock out of thy house, nor he goats out of thy folds. |
| 10 | Fa Ahy ny biby rehetra any an’ ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra. | For every beast of the forest is mine, and the cattle upon a thousand hills. |
| 11 | Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha. | I know all the fowls of the mountains: and the wild beasts of the field are mine. |
| 12 | Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. | If I were hungry, I would not tell thee: for the world is mine, and the fulness thereof. |
| 13 | Hihinana ny nofon’ ombilahy va Aho, na hisotro ny ran’ osilahy? | Will I eat the flesh of bulls, or drink the blood of goats? |
| 14 | Manatera fanati-pisaorana ho an’ Andriamanitra; ary efao amin’ ny Avo Indrindra ny voadinao; | Offer unto God thanksgiving; and pay thy vows unto the most High: |
| 15 | Antsoy Aho amin’ ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao. | And call upon me in the day of trouble: I will deliver thee, and thou shalt glorify me. |
| 16 | Fa amin’ ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao? | But unto the wicked God saith, What hast thou to do to declare my statutes, or that thou shouldest take my covenant in thy mouth? |
| 17 | Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko. | Seeing thou hatest instruction, and castest my words behind thee. |
| 18 | Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin’ ny mpijangajanga. | When thou sawest a thief, then thou consentedst with him, and hast been partaker with adulterers. |
| 19 | Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka. | Thou givest thy mouth to evil, and thy tongue frameth deceit. |
| 20 | Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao. | Thou sittest and speakest against thy brother; thou slanderest thine own mother’s son. |
| 21 | Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao. | These things hast thou done, and I kept silence; thou thoughtest that I was altogether such an one as thyself: but I will reprove thee, and set them in order before thine eyes. |
| 22 | Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an’ Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy. | Now consider this, ye that forget God, lest I tear you in pieces, and there be none to deliver. |
| 23 | Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen’ Andriamanitra. | Whoso offereth praise glorifieth me: and to him that ordereth his conversation aright will I shew the salvation of God. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL