시편 49편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 20절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Hear this, all ye people; give ear, all ye inhabitants of the world: |
| 2 | Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao: | Both low and high, rich and poor, together. |
| 3 | Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo. | My mouth shall speak of wisdom; and the meditation of my heart shall be of understanding. |
| 4 | Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan’ ny foko dia fahalalana. | I will incline mine ear to a parable: I will open my dark saying upon the harp. |
| 5 | Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga. | Wherefore should I fear in the days of evil, when the iniquity of my heels shall compass me about? |
| 6 | Nahoana no hatahotra amin’ ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian’ ny mpamingana ahy, | They that trust in their wealth, and boast themselves in the multitude of their riches; |
| 7 | Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin’ ny haben’ ny fananany? | None of them can by any means redeem his brother, nor give to God a ransom for him: |
| 8 | Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’ Andriamanitra izay avony, | (For the redemption of their soul is precious, and it ceaseth for ever:) |
| 9 | (Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay), | That he should still live for ever, and not see corruption. |
| 10 | Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin’ ny lavaka. | For he seeth that wise men die, likewise the fool and the brutish person perish, and leave their wealth to others. |
| 11 | Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an’ ny hafa. | Their inward thought is, that their houses shall continue for ever, and their dwelling places to all generations; they call their lands after their own names. |
| 12 | Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny. | Nevertheless man being in honour abideth not: he is like the beasts that perish. |
| 13 | Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy. | This their way is their folly: yet their posterity approve their sayings. Selah. |
| 14 | Izany no falehan’ ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. [Sela.] | Like sheep they are laid in the grave; death shall feed on them; and the upright shall have dominion over them in the morning; and their beauty shall consume in the grave from their dwelling. |
| 15 | Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin’ ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany. | But God will redeem my soul from the power of the grave: for he shall receive me. Selah. |
| 16 | Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita, Satria handray ahy Izy. [Sela.] | Be not thou afraid when one is made rich, when the glory of his house is increased; |
| 17 | Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony; | For when he dieth he shall carry nothing away: his glory shall not descend after him. |
| 18 | Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny. | Though while he lived he blessed his soul: and men will praise thee, when thou doest well to thyself. |
| 19 | Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona ― Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao ― | He shall go to the generation of his fathers; they shall never see light. |
| 20 | Dia hankany amin’ ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny. | Man that is in honour, and understandeth not, is like the beasts that perish. |
| 21 | Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL