시편 48편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 14절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Great is the Lord, and greatly to be praised in the city of our God, in the mountain of his holiness. |
| 2 | Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan’ Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masìna. | Beautiful for situation, the joy of the whole earth, is mount Zion, on the sides of the north, the city of the great King. |
| 3 | Avo mahafinaritra, fifalian’ ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin’ ny ilany avaratra, tanànan’ ny Mpanjaka lehibe. | God is known in her palaces for a refuge. |
| 4 | Andriamanitra ao an-tranon’ andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo. | For, lo, the kings were assembled, they passed by together. |
| 5 | Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy. | They saw it, and so they marvelled; they were troubled, and hasted away. |
| 6 | Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra; | Fear took hold upon them there, and pain, as of a woman in travail. |
| 7 | Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka. | Thou breakest the ships of Tarshish with an east wind. |
| 8 | Amin’ ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon’ i Tarsisy. | As we have heard, so have we seen in the city of the Lord of hosts, in the city of our God: God will establish it for ever. Selah. |
| 9 | Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao an-tanànan’ Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay. [Sela.] | We have thought of thy lovingkindness, O God, in the midst of thy temple. |
| 10 | Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin’ ny tempolinao. | According to thy name, O God, so is thy praise unto the ends of the earth: thy right hand is full of righteousness. |
| 11 | Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin’ ny faran’ ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana. | Let mount Zion rejoice, let the daughters of Judah be glad, because of thy judgments. |
| 12 | Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin’ Joda, noho ny fitsaranao. | Walk about Zion, and go round about her: tell the towers thereof. |
| 13 | Manodidina an’ i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony, | Mark ye well her bulwarks, consider her palaces; that ye may tell it to the generation following. |
| 14 | Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby. | For this God is our God for ever and ever: he will be our guide even unto death. |
| 15 | Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin’ ny fahafatesana aza. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL