시편 46편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 11절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | God is our refuge and strength, a very present help in trouble. |
| 2 | Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ ny fahoriana Izy. | Therefore will not we fear, though the earth be removed, and though the mountains be carried into the midst of the sea; |
| 3 | Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ ny ranomasina aza ny tendrombohitra, | Though the waters thereof roar and be troubled, though the mountains shake with the swelling thereof. Selah. |
| 4 | Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. [Sela.] | There is a river, the streams whereof shall make glad the city of God, the holy place of the tabernacles of the most High. |
| 5 | Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’ Andriamanitra, Fonena-masin’ ny Avo Indrindra. | God is in the midst of her; she shall not be moved: God shall help her, and that right early. |
| 6 | Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro. | The heathen raged, the kingdoms were moved: he uttered his voice, the earth melted. |
| 7 | Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany. | The Lord of hosts is with us; the God of Jacob is our refuge. Selah. |
| 8 | Jehovah, Tompon’ ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’ i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. [Sela.] | Come, behold the works of the Lord, what desolations he hath made in the earth. |
| 9 | Avia, jereo ny asan’ i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany; | He maketh wars to cease unto the end of the earth; he breaketh the bow, and cutteth the spear in sunder; he burneth the chariot in the fire. |
| 10 | Mampitsahatra ady hatramin’ ny faran’ ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin’ ny afo. | Be still, and know that I am God: I will be exalted among the heathen, I will be exalted in the earth. |
| 11 | Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin’ ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ ny tany Aho. | The Lord of hosts is with us; the God of Jacob is our refuge. Selah. |
| 12 | Jehovah, Tompon’ ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’ i Jakoba no aro ho antsika. [Sela.] | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL