시편 45편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | My heart is inditing a good matter: I speak of the things which I have made touching the king: my tongue is the pen of a ready writer. |
| 2 | Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan’ ny faingan-tsoratra ny lelako. | Thou art fairer than the children of men: grace is poured into thy lips: therefore God hath blessed thee for ever. |
| 3 | Tsara tarehy noho ny zanak’ olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin’ ny molotrao; izany no nitahian’ Andriamanitra anao mandrakizay. | Gird thy sword upon thy thigh, O most mighty, with thy glory and thy majesty. |
| 4 | Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao. | And in thy majesty ride prosperously because of truth and meekness and righteousness; and thy right hand shall teach thee terrible things. |
| 5 | Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin’ ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana. | Thine arrows are sharp in the heart of the king’s enemies; whereby the people fall under thee. |
| 6 | Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra ― Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao ― ka mitsatoka ao am-pon’ ny fahavalon’ ny mpanjaka. | Thy throne, O God, is for ever and ever: the sceptre of thy kingdom is a right sceptre. |
| 7 | Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao. | Thou lovest righteousness, and hatest wickedness: therefore God, thy God, hath anointed thee with the oil of gladness above thy fellows. |
| 8 | Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao. | All thy garments smell of myrrh, and aloes, and cassia, out of the ivory palaces, whereby they have made thee glad. |
| 9 | Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin’ ny lapa ivory no mampifaly anao. | Kings’ daughters were among thy honourable women: upon thy right hand did stand the queen in gold of Ophir. |
| 10 | Zanakavavin’ andriamanjaka no isan’ ny malalanao; eo ankavananao no itoeran’ ny vadin’ ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira. | Hearken, O daughter, and consider, and incline thine ear; forget also thine own people, and thy father’s house; |
| 11 | Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao; | So shall the king greatly desire thy beauty: for he is thy Lord; and worship thou him. |
| 12 | Raha irin’ ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao ― fa izy no tomponao ― dia miankohofa eo anatrehany. | And the daughter of Tyre shall be there with a gift; even the rich among the people shall intreat thy favour. |
| 13 | Ary ny zanakavavin’ i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin’ ny vahoaka hila sitraka aminao. | The king’s daughter is all glorious within: her clothing is of wrought gold. |
| 14 | Be voninahitra ny zanakavavin’ ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany. | She shall be brought unto the king in raiment of needlework: the virgins her companions that follow her shall be brought unto thee. |
| 15 | Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin’ ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao. | With gladness and rejoicing shall they be brought: they shall enter into the king’s palace. |
| 16 | Entina amin’ ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan’ ny mpanjaka izy. | Instead of thy fathers shall be thy children, whom thou mayest make princes in all the earth. |
| 17 | Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin’ ny tany rehetra izy. | I will make thy name to be remembered in all generations: therefore shall the people praise thee for ever and ever. |
| 18 | Hampahatsiaro ny anaranao hatramin’ ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran’ ny firenena anao mandrakizay doria. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL