시편 44편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 26절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | We have heard with our ears, O God, our fathers have told us, what work thou didst in their days, in the times of old. |
| 2 | Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin’ ny androny, dia tamin’ ny andro fahiny. | How thou didst drive out the heathen with thy hand, and plantedst them; how thou didst afflict the people, and cast them out. |
| 3 | Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany. | For they got not the land in possession by their own sword, neither did their own arm save them: but thy right hand, and thine arm, and the light of thy countenance, because thou hadst a favour unto them. |
| 4 | Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan’ ny tavanao, satria efa sitrakao izy. | Thou art my King, O God: command deliverances for Jacob. |
| 5 | Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an’ i Jakoba. | Through thee will we push down our enemies: through thy name will we tread them under that rise up against us. |
| 6 | Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay. | For I will not trust in my bow, neither shall my sword save me. |
| 7 | Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy. | But thou hast saved us from our enemies, and hast put them to shame that hated us. |
| 8 | Fa namonjy anay tamin’ ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra. | In God we boast all the day long, and praise thy name for ever. Selah. |
| 9 | Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay. [Sela.] | But thou hast cast off, and put us to shame; and goest not forth with our armies. |
| 10 | Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin’ ny antokon’ ny miaramilanay Hianao. | Thou makest us to turn back from the enemy: and they which hate us spoil for themselves. |
| 11 | Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo. | Thou hast given us like sheep appointed for meat; and hast scattered us among the heathen. |
| 12 | Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin’ ny firenen-tsamy hafa. | Thou sellest thy people for nought, and dost not increase thy wealth by their price. |
| 13 | Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin’ ny vidiny. | Thou makest us a reproach to our neighbours, a scorn and a derision to them that are round about us. |
| 14 | Ataonao fandatsan’ ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson’ izay manodidina anay. | Thou makest us a byword among the heathen, a shaking of the head among the people. |
| 15 | Ataonao ho ambentinteny amin’ ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin’ ny olona maro. | My confusion is continually before me, and the shame of my face hath covered me, |
| 16 | Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako, | For the voice of him that reproacheth and blasphemeth; by reason of the enemy and avenger. |
| 17 | Noho ny feon’ ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy. | All this is come upon us; yet have we not forgotten thee, neither have we dealt falsely in thy covenant. |
| 18 | Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao. | Our heart is not turned back, neither have our steps declined from thy way; |
| 19 | Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin’ ny lalanao ny dianay. | Though thou hast sore broken us in the place of dragons, and covered us with the shadow of death. |
| 20 | Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin’ ny fitoeran’ ny amboadia sy nanarona anay tamin’ ny aloky ny fahafatesana. | If we have forgotten the name of our God, or stretched out our hands to a strange god; |
| 21 | Raha nanadino ny anaran’ Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin’ ny andriamani-kafa, | Shall not God search this out? for he knoweth the secrets of the heart. |
| 22 | Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po. | Yea, for thy sake are we killed all the day long; we are counted as sheep for the slaughter. |
| 23 | Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay. | Awake, why sleepest thou, O Lord? arise, cast us not off for ever. |
| 24 | Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay. | Wherefore hidest thou thy face, and forgettest our affliction and our oppression? |
| 25 | Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay? | For our soul is bowed down to the dust: our belly cleaveth unto the earth. |
| 26 | Fa miankohoka amin’ ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin’ ny tany ny kibonay. | Arise for our help, and redeem us for thy mercies’ sake. |
| 27 | Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL