시편 45편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 17절
- 2 Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan’ ny faingan-tsoratra ny lelako.
- 3 Tsara tarehy noho ny zanak’ olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin’ ny molotrao; izany no nitahian’ Andriamanitra anao mandrakizay.
- 4 Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao.
- 5 Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin’ ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.
- 6 Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra ― Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao ― ka mitsatoka ao am-pon’ ny fahavalon’ ny mpanjaka.
- 7 Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.
- 8 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.
- 9 Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin’ ny lapa ivory no mampifaly anao.
- 10 Zanakavavin’ andriamanjaka no isan’ ny malalanao; eo ankavananao no itoeran’ ny vadin’ ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.
- 11 Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
- 12 Raha irin’ ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao ― fa izy no tomponao ― dia miankohofa eo anatrehany.
- 13 Ary ny zanakavavin’ i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin’ ny vahoaka hila sitraka aminao.
- 14 Be voninahitra ny zanakavavin’ ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.
- 15 Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin’ ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao.
- 16 Entina amin’ ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan’ ny mpanjaka izy.
- 17 Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin’ ny tany rehetra izy.
- 18 Hampahatsiaro ny anaranao hatramin’ ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran’ ny firenena anao mandrakizay doria.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗