시편 44편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 26절
- 2 Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin’ ny androny, dia tamin’ ny andro fahiny.
- 3 Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany.
- 4 Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan’ ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
- 5 Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an’ i Jakoba.
- 6 Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay.
- 7 Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy.
- 8 Fa namonjy anay tamin’ ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra.
- 9 Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay. [Sela.]
- 10 Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin’ ny antokon’ ny miaramilanay Hianao.
- 11 Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo.
- 12 Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin’ ny firenen-tsamy hafa.
- 13 Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin’ ny vidiny.
- 14 Ataonao fandatsan’ ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson’ izay manodidina anay.
- 15 Ataonao ho ambentinteny amin’ ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin’ ny olona maro.
- 16 Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako,
- 17 Noho ny feon’ ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy.
- 18 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao.
- 19 Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin’ ny lalanao ny dianay.
- 20 Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin’ ny fitoeran’ ny amboadia sy nanarona anay tamin’ ny aloky ny fahafatesana.
- 21 Raha nanadino ny anaran’ Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin’ ny andriamani-kafa,
- 22 Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po.
- 23 Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
- 24 Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay.
- 25 Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay?
- 26 Fa miankohoka amin’ ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin’ ny tany ny kibonay.
- 27 Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗