시편 42편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 11절
- 2 Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an’ ony no anirian’ ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô.
- 3 Mangetaheta an’ Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra?
- 4 Ny ranomasoko no fiahiko andro aman’ alina, amin’ ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
- 5 Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon’ Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
- 6 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’ Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ ny tavany.
- 7 Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin’ ny tanin’ i Jordana sy amin’ ireo Hermona ary amin’ ny tendrombohitra Mizara.
- 8 Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon’ ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy.
- 9 Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka amin’ Andriamanitry ny aiko.
- 10 Hoy izaho amin’ Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian’ ny fahavaloko?
- 11 Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan’ andro: Aiza izay Andriamanitrao?
- 12 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’ Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗