시편 3편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Lord, how are they increased that trouble me! many are they that rise up against me. |
| 2 | Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy. | Many there be which say of my soul, There is no help for him in God. Selah. |
| 3 | Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. [Sela.] | But thou, O Lord, art a shield for me; my glory, and the lifter up of mine head. |
| 4 | Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako. | I cried unto the Lord with my voice, and he heard me out of his holy hill. Selah. |
| 5 | Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy. | I laid me down and slept; I awaked; for the Lord sustained me. |
| 6 | Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. [Sela.] | I will not be afraid of ten thousands of people, that have set themselves against me round about. |
| 7 | Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy. | Arise, O Lord; save me, O my God: for thou hast smitten all mine enemies upon the cheek bone; thou hast broken the teeth of the ungodly. |
| 8 | Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao. | Salvation belongeth unto the Lord: thy blessing is upon thy people. Selah. |
| 9 | An’ i Jehovah ny famonjena; Ho amin’ ny olonao anie ny fitahianao. [Sela.] | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL