시편 4편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Hear me when I call, O God of my righteousness: thou hast enlarged me when I was in distress; have mercy upon me, and hear my prayer. |
| 2 | Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako. | O ye sons of men, how long will ye turn my glory into shame? how long will ye love vanity, and seek after leasing? Selah. |
| 3 | Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? [Sela.] | But know that the Lord hath set apart him that is godly for himself: the Lord will hear when I call unto him. |
| 4 | Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’ i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho. | Stand in awe, and sin not: commune with your own heart upon your bed, and be still. Selah. |
| 5 | Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna. [Sela.] | Offer the sacrifices of righteousness, and put your trust in the Lord. |
| 6 | Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an’ i Jehovah. | There be many that say, Who will shew us any good? Lord, lift thou up the light of thy countenance upon us. |
| 7 | Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan’ ny tavanao, Jehovah ô. | Thou hast put gladness in my heart, more than in the time that their corn and their wine increased. |
| 8 | Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin’ ny taona nahabetsahan’ ny variny sy ny ranom-boalobony. | I will both lay me down in peace, and sleep: for thou, Lord, only makest me dwell in safety. |
| 9 | Handry amin’ ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’ izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL