시편 37편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 40절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka; | Fret not thyself because of evildoers, neither be thou envious against the workers of iniquity. |
| 2 | Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso. | For they shall soon be cut down like the grass, and wither as the green herb. |
| 3 | Matokia an’ i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin’ ny tany ianao ka ho faly amin’ ny fahamarinana. | Trust in the Lord, and do good; so shalt thou dwell in the land, and verily thou shalt be fed. |
| 4 | Ary miravoravoa amin’ i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ ny fonao. | Delight thyself also in the Lord; and he shall give thee the desires of thine heart. |
| 5 | Ankino amin’ i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. | Commit thy way unto the Lord; trust also in him; and he shall bring it to pass. |
| 6 | Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana. | And he shall bring forth thy righteousness as the light, and thy judgment as the noonday. |
| 7 | Miantombena tsara miandry an’ i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin’ izay ambinina amin’ ny lalany dia amin’ izay olona manao sain-dratsy. | Rest in the Lord, and wait patiently for him: fret not thyself because of him who prospereth in his way, because of the man who bringeth wicked devices to pass. |
| 8 | Mitsahara amin’ ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran’ izany. | Cease from anger, and forsake wrath: fret not thyself in any wise to do evil. |
| 9 | Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an’ i Jehovah no handova ny tany. | For evildoers shall be cut off: but those that wait upon the Lord, they shall inherit the earth. |
| 10 | Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy. | For yet a little while, and the wicked shall not be: yea, thou shalt diligently consider his place, and it shall not be. |
| 11 | Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ ny haben’ ny fiadanana. | But the meek shall inherit the earth; and shall delight themselves in the abundance of peace. |
| 12 | Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy. | The wicked plotteth against the just, and gnasheth upon him with his teeth. |
| 13 | Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny. | The Lord shall laugh at him: for he seeth that his day is coming. |
| 14 | Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana. | The wicked have drawn out the sword, and have bent their bow, to cast down the poor and needy, and to slay such as be of upright conversation. |
| 15 | Ny sabany hitsatoka amin’ ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka. | Their sword shall enter into their own heart, and their bows shall be broken. |
| 16 | Tsara lavitra ny kely ananan’ ny ratsy fanahy maro. | A little that a righteous man hath is better than the riches of many wicked. |
| 17 | Fa ny sandrin’ ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina. | For the arms of the wicked shall be broken: but the Lord upholdeth the righteous. |
| 18 | Fantatr’ i Jehovah ny andron’ ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay. | The Lord knoweth the days of the upright: and their inheritance shall be for ever. |
| 19 | Tsy mba ho menatra amin’ ny andro fahoriana ireny; ary amin’ ny taona mosarena dia ho voky izy. | They shall not be ashamed in the evil time: and in the days of famine they shall be satisfied. |
| 20 | Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon’ i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy. | But the wicked shall perish, and the enemies of the Lord shall be as the fat of lambs: they shall consume; into smoke shall they consume away. |
| 21 | Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome. | The wicked borroweth, and payeth not again: but the righteous sheweth mercy, and giveth. |
| 22 | Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana. | For such as be blessed of him shall inherit the earth; and they that be cursed of him shall be cut off. |
| 23 | Avy amin’ i Jehovah no mahalavorary ny dian’ ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany. | The steps of a good man are ordered by the Lord: and he delighteth in his way. |
| 24 | Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy. | Though he fall, he shall not be utterly cast down: for the Lord upholdeth him with his hand. |
| 25 | Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina. | I have been young, and now am old; yet have I not seen the righteous forsaken, nor his seed begging bread. |
| 26 | Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina. | He is ever merciful, and lendeth; and his seed is blessed. |
| 27 | Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao. | Depart from evil, and do good; and dwell for evermore. |
| 28 | Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masìna; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana, | For the Lord loveth judgment, and forsaketh not his saints; they are preserved for ever: but the seed of the wicked shall be cut off. |
| 29 | Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay | The righteous shall inherit the land, and dwell therein for ever. |
| 30 | Ny vavan’ ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny. | The mouth of the righteous speaketh wisdom, and his tongue talketh of judgment. |
| 31 | Ny lalàn’ Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany. | The law of his God is in his heart; none of his steps shall slide. |
| 32 | Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy. | The wicked watcheth the righteous, and seeketh to slay him. |
| 33 | Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy. | The Lord will not leave him in his hand, nor condemn him when he is judged. |
| 34 | Miandrasa an’ i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao. | Wait on the Lord, and keep his way, and he shall exalt thee to inherit the land: when the wicked are cut off, thou shalt see it. |
| 35 | Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy; | I have seen the wicked in great power, and spreading himself like a green bay tree. |
| 36 | Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy. | Yet he passed away, and, lo, he was not: yea, I sought him, but he could not be found. |
| 37 | Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany ho an’ ny olona tia fihavanana. | Mark the perfect man, and behold the upright: for the end of that man is peace. |
| 38 | Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran’ ny ratsy fanahy ho fongotra. | But the transgressors shall be destroyed together: the end of the wicked shall be cut off. |
| 39 | Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’ i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin’ ny andro fahoriana Izy. | But the salvation of the righteous is of the Lord: he is their strength in the time of trouble. |
| 40 | Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin’ ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy. | And the Lord shall help them, and deliver them: he shall deliver them from the wicked, and save them, because they trust in him. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL