시편 36편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 12절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | The transgression of the wicked saith within my heart, that there is no fear of God before his eyes. |
| 2 | Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra ao aminy. | For he flattereth himself in his own eyes, until his iniquity be found to be hateful. |
| 3 | Fa miarahaba tena izy ny amin’ ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy. | The words of his mouth are iniquity and deceit: he hath left off to be wise, and to do good. |
| 4 | Ny tenin’ ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa. | He deviseth mischief upon his bed; he setteth himself in a way that is not good; he abhorreth not evil. |
| 5 | Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory. | Thy mercy, O Lord, is in the heavens; and thy faithfulness reacheth unto the clouds. |
| 6 | Jehovah ô, mipaka amin’ ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao. | Thy righteousness is like the great mountains; thy judgments are a great deep: O Lord, thou preservest man and beast. |
| 7 | Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô, | How excellent is thy lovingkindness, O God! therefore the children of men put their trust under the shadow of thy wings. |
| 8 | Endrey ny hatsaran’ ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ ny aloky ny elatrao ny zanak’ olombelona. | They shall be abundantly satisfied with the fatness of thy house; and thou shalt make them drink of the river of thy pleasures. |
| 9 | Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy. | For with thee is the fountain of life: in thy light shall we see light. |
| 10 | Fa ao aminao no misy loharanon’ aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. | O continue thy lovingkindness unto them that know thee; and thy righteousness to the upright in heart. |
| 11 | Ampahareto amin’ izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ ny mahitsy fo. | Let not the foot of pride come against me, and let not the hand of the wicked remove me. |
| 12 | Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ ny ratsy fanahy. | There are the workers of iniquity fallen: they are cast down, and shall not be able to rise. |
| 13 | Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL